airtel

Actualités

06-mars-2024

BEKAPAIKA TSARATANANA

Lehilahy tratra teo am-panolanana zazavavy kely 10 taona

Sample post image

Tsy mba honohono intsony fa teo am-pampiharana ny habibiany tamin’ny

06-mars-2024

fanolanana zazavavy kely iray vao 10 taona monja no saron’ny miaramila avy ao amin’ny BOA Bekapaika, distrikan’i Tsaratanana ny lehilahy iray afak’omaly Alahady hariva. Teo am-pamovokovohana mihitsy ilay tsy mataho-tody no tratra ka noraisim-potsiny. Raha araka ny fantatra dia nanararaotra ny nahamaizina ny andro ny anaolahy ka nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza. Soa ihany anefa fa nisy ireo miaramila nanao fisafoana ireo. Efa natolotra ny Zandary any an-toerana avy hatrany moa ity farany ka mety hiakatra fitsarana androany Alarobia. Ilay zazavavy kely kosa efa nentina nanatona mpitsabo hijerena ny mety ho fahavoazana nahazo azy. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray moa dia aretin-tsaina na vokatry ny ratra anaty mahazo ilay lehilahy na koa vokatry ny fifohana zava-mahadomelina no antony manosika azy ireny hanolana tahaka izao ka ireo olona marefo noho izy no tsy maintsy hampiharany izany izay tsy voatery ho filana no hanaovany azy fa hanalany ny hatezerana na lonilony na habibiana ao anatiny te-hivoaka. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy mpanolana !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap