harena an-kibon'ny tany noho ny raharaha fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy ara-dalana, raha ny ambangovangon’ny didy fisamborana nivoaka ny 03 janoary 2024 teo. Ny nahafantarana azy moa taona maromaro lasa izay dia anisan'ireo olona voarohirohy tamin'ny trafikana boaderozy sy kolikoly ary fanadiovam-bola, saingy afaka sy toa nilamindamina. Tao anaty lisitr’ireo mpanao aferana boaderozy notononina praiminisitra teo aloha. Nampanantsoin'ny Bianco tamin'ny taona 2015 ary nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa niakatra teny amin'ny CPAC (Chaine Penale Anti-Corruption). Voalaza fa tapa-bolana ihany no nihidy teny Antanimora i Bekasy, avy eo navoaka moramora ary voalaza fa nalefa nitsoaka tany am-pitandranomasina. Ny septambra 2019, dia mbola naneho ny Tonia mpampanoa lalàna teo anivon’ny CPAC fa mbola mitohy ny fanadihadiana ny raharaha Bekasy, ary satria samy miparitaka amin'ny nosy ireo olona heverina ho tompon'andraikitra amin'ity raharaha ity, dia sahirana izahay amin'ny hamarana ny raharaha, hoy ny fanazavana tamin’izany. Naneho i Bekasy taty aoriana, fa olona madio ary tsy meloka. Marihina fa izy no mpitarika ny Fikambanana FITEFA (Fikambanan'ny Teraky ny Faritany Antsiranana). Tsikaritra ho niezaka nanana fifandraisana tamin’izay nitondra teo i Bekasy na tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina na tamin’izao fitondrana volomboasary izao. Nisy ifandraisany amin’ny naha afa-bela azy ve ny safidy politika sy ny maha mpitarika fikambanana lehibe izay ambara fa misy vahoaka maro an-damosiny? Ao anatin’ny vanim-potoana mafampana eto amin’ny Firenena no mipoitra ny raharaha. Hatao sorona ve i Bekasy mba hilazana fa miady amin’ny kolikoly sy afera maloto ny mpitondra ka hafatratra aminy ny zioga rehetra fa ny matretre maro milamindamina hatrany ? Sa manangasanga any ny fifanarahana goavana mikasika fitrandrahana na fandraharahana amin’ny harena an-kibony tany ka atao itony mba hanehoana sy hanomezana toky fa tena sarotiny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny Fanjakana ? Raha ny fahafantarana azy, matoa ny olona iray namoahana didy fikarohana dia heverina ho efa nandefasana fampanantsoana fa tsy namaly na tsy hita ka mampametra-panontaniana hoe : mbola eto an-toerana sa efa niporitsaka any ivelany i Bekasy? Ny tsapa sy tsikaritra teto hatramin’izay aloha, tarafina amin’ireo afera goavana mikasika fitrandrahana harem-pirenena na trafika, dia toa ny trondro madinika hatrany no manefa fa ny matretre mitsotsotra. Mba tena nivoaka ve ny anaran’ny tompon’ilay 73 kg mahery tratra tany Afrika Atsimo, ny 49kg tratra tany Comores, ny 53kg mahery tratra tetsy Ivato ny faramparan’ny desambra teo, ny fanjavonan’ny 46kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany,…
Toky R
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny