airtel

Actualités

31-mars-2023

Actualités

Bemidina teny Antanimena Nogiazana ny fitaovan’ny « La Gazette de la Grande Ile »

Sample post image

Nanaovan’ny vadintany niaraka tamin’ny zandary bemidina ny toeram-piasan’ny La Gazette de La Grande Ile tetsy amin’ny Villa Pradon Antanimena omaly, ary noraofina avokoa ny entana rehetra.

31-mars-2023

Tamin’ny 6ora sasany hariva ny vadintany sy ny zandary 2 nitondra fitaovam-piadiana no tonga tato, ary mbola nisy andiana zandary hafa nandeha fiarakaretsaka”, hoy ny fanazavan’ny mpiasa. Tonga dia niditra tato amin’ny birao na ny Desk ny vadintany, nibata avy hatrany ny entana rehetra, naka ireo arisiva sy ny solosaina, ary ny fitaovam-piasana rehetra, eny fa na hatramin’ireo tahiry sy arisiva efa vita boky be ireny aza lasa avokoa”, hoy hatrany ny fanazavana. Efa karazana fandroahana ny La Gazette ao amin’ny Villa Pradon ihany koa ny sary miseho, raha ny nambaran’izy ireo. Nogiazana na natao “saisie” izany ny fitaovana, ka tsy afa-niasa intsony ny mpiasan’io gazety io omaly. Voalaza ihany koa omaly hariva, fa efa tonga teny amin’ny “imprimérie” ihany koa ireo vadintany, saingy tsy tafiditra. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa naiditra am-ponja ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo ny Filoha Tale Jeneralin’ny La Gazette Atoa Lola Rasoamaharo noho ny fitorian-dRtoa Victoire Brigitte Razaka mpandraharaha sadina vadina diplaomaty teratany Italianina, ary fantatra amin’ny fandraharahana momba ny asa vaventy sy ny fanamboaran-dàlana. Adin’olon-tsotra no voalaza fa ifanandrinan’ny roa tonta raha ny fanazavana efa nentin’ny mpitory, saingy ny alatsinainy lasa teo, dia nilaza ny La Gazette fa tsy hilefitra, ary naneho fa misy ifandraisany amin’ny mpanao politika isan’ny mpifanandrina amin’izy ireo ny mpitory.
FITORIAN’NY JIRAMA
Manao randran-tarihina ny fanenjehana an’Atoa Lola Rasoamaharo sy ny La Gazette satria nifoha ihany koa ny fitorian’ny Jirama azy tamin’ny resaka herinaratra efa tany amin’ny taona 2016. Misy ihany koa anefa ny filazana etsy ankilany fa tsy misy idiran’i Lola Rasoamaharo Amin io raharaha io satria mpiara-miombon’antoka ara-bola tsotra na “simple actionnaire” izy tao amin’ny La Gazette ny taona 2016. Noho ity fitorian’ny Jirama ity no anton’ny fanagiazana fananana hatramin’ny fiara, rehefa nisy ny fahazoan-dàlana avy amin’ny Fitsarana, raha ny vaovao azo. Tsy miandry ela fa anio amin’ny 8ora maraina ihany dia hiakatra fitsarana ity raharaha fitorian’ny Jirama ity. Tsy hidirantsika ny raharaham-pitsarana sy ny fifanolanana ara-teknika na ara-politika eo amin’ny roa tonta, fa ny mampametra-panontaniana amin’ny maha olombelona dia ahoana ny momba ireo mpiasa izay mety tsy manan-tsiny eo anatrehan’ny zava-misy? Manao ahoana ny resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eo anatrehan’ny tranga?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap