airtel

Actualités

19-mars-2021

Actualités

Ben’ny tanànan’Ambatofahavalo “Efa nifanarahana tamin’ny mponina ny fitrandrahana”

Sample post image

Marina tokoa fa izaho no nanome ny alalana hitrandrahan’ireo mpitrandraka fasika, hoy ny ben’ny tanànan’Ambatofahavalo,

19-mars-2021

 

 

 

Augustin Rasoloarisoa nanazava ny savorovoro misy mikasika ny fitrandrahana fasika ataon’ny sinoa ao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ankadivoribe Faravohitra amin’izao fotoana izao. Efa tamin’ny 1 oktobra anefa no nampahafantarina tamin’ny vahoaka ny fisian’ireo mpitrandraka ireo ary nanaiky avy hatrany ireo vahoaka. 2 volana latsaka kely taoriana anefa dia niainga io hetsik’izy ireo izay mitohy ankehitriny io. Novoizina fa misy volamena, fasimainty, safira ao. 3 andro taorian’izay dia nampahafantarina tamin’ny vahoaka nanoloana ny haino aman-jery fa tsy misy afa-tsy fasika irery ao. Mbola tsy nijanona hatrany anefa izy ireo fa nitaky ny fialan’ireo mpitrandraka sinoa. Nomarihin’ity ben’ny tanana ity moa fa efa nandalo tany an-toerana ny solontenam-panjakana toy ny an’ny lehiben’ny distrika, ny minisiteran’ny fambolena, ny solontenan’ny solombavambahoaka izay nanambara fa tsy manimba ny tontolo iainam-bahoaka ny fakana fasika eo. Tsy mikasika ny tanin’ireo mponina ihany koa, hoy hatrany izy, ny fitrandrahana ary ny ankamaroan’ireo miasa ao amin’ny toeram-pitrandrahana aza dia mponina avy ao an-toerana ihany. Manara-maso izany in-droa isan-kerinandro fara faha keliny , hoy izy, ny kaominina ary ireo olona miisa 5 izay voatazon’ny fitsarana kosa dia voalaza fa nanimba fananan’olona.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap