hoy ny ben’ny tananan’Antananarivo nanoro tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook-ny ny https://simulateurifpb.cua.mg/. Raha misy fanamarihana na fitarainana dia raisina ao amin’ny efitrano fanaovana mariazy ao amin’ny boriborintany miisa 6 manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, afa-tsy ny alakamisy amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro, hoy hatrany izy. Mihevitra ny mponiny ho mpikirakira aterineto na “internet” daholo, araka izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Tsiahivina anefa fa vao 2 taona lasa izay no nomarihan’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa 6%n’ny malagasy ihany no mikirakira ny tambazotra Facebook, izay tambazotra heverina fa be mpampiasa indrindra, raha resaka hairaha vaovao no ambara. Maika izany fa ireo tambazotra hafa toy ny mailaka sy ny tranokala fotsiny, mety firy isan-jato? Mbola tsy resahana koa ireo tambazotra hafa notanisain’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoanan’ny COVID 19 toy ny Instagram, Linkdinn, Twitter sy ny hafa rehefa. Firy isan-jaton’ny malagasy moa no mba mampiasa izany rehetra izany dia firy isan-jaton’ny mponin’Antananarivo dia any ve no heverina fa haha tafita ny serasera atao amin’ny vahoaka? Mbola mitehaka amin’ny tany tsara ve ny tongotry ny ben’ny tanàna?
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,