Fokontany Tsinjony, kaominina ambanivohitra Behenjy, distrikan’Ambatolampy. Tsy nisy nahita mazava ny zava-nitranga fa ireo rabe efa nitakosina tao anatiny fiara tao aloha no tratran’ny mpitandro ny filaminana.Nivalampatra tao anatin’ilay fiara rahateo ilay razana. Avy nivarotra vy tamin’ny orinasa iray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito moa izy roalahy ireto no nisy nahita farany. Raha araka ny fanazavan’ilay Rangahy mpampiasa dia namoaka antsy ilay mpamily nandritra ny fotoana nanisana ny vola ka saika hanindrona azy. Voatazony tampoka anefa izany antsy saika hamonana azy izany fa nifototra tany amin’ilay mpamily ka ity farany no namoy ny ainy. Mbola mitohy lalindalina kokoa moa ny fanadihadiana na izany aza hahafantarana ny tena marina tokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty fiara tahaka izao no niseho ilay fifamonoana
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,