airtel

Actualités

19-nov-2024

Bezoma Raherison Loyolain

«Ny JIRAMA no tokony poretina fa tsy ny vahoaka»

Sample post image

Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»

19-nov-2024

na ambiasim-pifidianana eto Madagasikara, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny antoko politika Arema mitondra ny laharana faha 3 na «numéro 3» ao Ambavahaditokana, Bezoma Raherison Loyolain, satria io izany izao hitantsika anio (TTF: omaly alatsinainy) ny CED namory sy nanome toromarika dia vao izao izany ny ankabeazan’ny kandida vao naheno nefa ny kandidam-panjakàna manana tombony foana amin’izay rehetra atao. Eo koa, hoy izy, ny resaka fanararaotam-pahefana. Misy ben’ny tanàna teo aloha efa lasa kandidà izao nefa mbola mampiasa fitaovam-panjakàna hanatanterahana fidinana ifotony. Matoa nefa moa nilatsaka dia efa vonona hiatrika ny zava-misy. Hanomboka ny propagandy nefa andro voalohan’ny propagandy mbola voatazona aty amin’ny distrika aty amin’ity resaka fangatahana alalana ity dia eo mahita azy. Tsy maintsy hisy akony amin’izao propagandy izao koa ny krizy ara-drano sy herinaratra satria izany izao dia hoe olona miisa 7 nahazo sazy miantona 6 volana am-ponja, noho izay antony izay, fa ny olana nefa dia sahirana ny vahoaka. Maneho ny zony izy. Lasa tsy mipetraka ny hoe mpitandro filaminana mpiaro ny vahoaka. Hiaro ny vahoaka no anto-pisiany nefa izy izao lasa mpanery vahoaka. Andeha ny propagandy dia tsy maintsy ho voaresaka ny fahatapahan-jiro sy rano dia ahoana ary? Solontenam-bahoaka izany ben’ny tanàna izany. Tsy maintsy hitady vahaolana mikasika an’io olan’ny herinaratra sy rano io. Tsy maintsy hiteny an’io izany izahay ary hangataka amin’ny fitondram-panjakàna mba hijery vahaolana maharitra fa tsy am-potopotony tahaka an’io ataon-drizareo io. Ohatran’izay koa ny resaka herinaratra hoe ho alefa. Rehefa tsy mitokona ilay vahoaka dia tapahina indray ilay izy. Avelao haneho hevitra malalaka ny vahoaka! Raha te hamoritra ny mpitandro filaminana dia ny JIRAMA no tokony ataony an’izany! Ny JIRAMA no tokony terena hoe alefao ny jiro fa mijaly ny vahoaka fa tsy ny vahoaka indray no poretina. Ny JIRAMA no tokony poretina fa tsy ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap