Raha ny salan’isa: fanararaotam-pahefana, fanodinkodinana volam-panjakana no fandikan-dalàna betsaka indrindra. Ireny fandikan-dalàna ireny, dia matetika misy fanararaotam-pahefana, fa ny fanodinkodinana no tena maro. Ny fanararaotam-pahefana nisy tranga 57, fanodinkodinana volam-panjakana 40,…Ny fananan-tany, kaominina, faritany, fitsarana no tena ahitana kolikoly betsaka indrindra,… hoy hatrany ny tatitra. Tao anatin’iazy, tafiakatra 80 miliara Ar ny fananana nogiazan’ny Rantsan’ny Bianco Antananarivo ny taona 2021, raha toa ka 17 miliara Ar ny fanodinkodinana, 28 kosa ny olona nampidirina am-ponja. Heverina fa ambony lavitra noho io aza raha tena tsy misy ny tsindritsindry sy ny famelana malalaka itony sampana natao hiady amin’ny kolikoly itony. Ireny iaraha-maheno ireny mantsy ny hoe: misy olom-panjakana ampanantsoina hohadihadiana izao, dia minia tsy mipoitra sy mandrefy avy hatrany ilay sampan-draharaha satria hoe: olon’ny fitondrana. Mety ho ampahana tranga fotsiny iny fa maro ny endrika mitovitovy amin’izany. Ny 23 septambra 2022 teo, dia efa vaky vava mihitsy ny Tale Jeneralin’ny Bianco raha nanao tatitry ny asa vita 2021 raha niantefa tamin’ny Minisitry ny atitany hoe: “Atoa minisitra, tongo-bakivaky izy ka na ny tenako aza menatra,… Mahamenatra satria ny zava-misy dia ny fanodinkodinana volam-panjakana no misy. Tsy azo ekena izany satria ny vola omena anao hotantaninao dia ho an’ny vahoaka hisitrahany fampandrosoana. Ny sasany miereritra fa tsy hita, amin’ny fotoana hanaovana azy tsy hita, fa rehefa atokana amin’ny fotodrafitrasa ilay izy dia miharihary, ny zava-bita kanefa ny tena marina lasa zava-tsy vita”. Notsipihiny ihany koa fa tena mirarakopana ny tsindry ny fidirana an-tsehatra na “intervention”. Ny 2021 raha ny tatitra efa nivoaka dia: fitoriana 3504 no voaray, olona 1463 no noahiahiana, ny 740 no natao famotorana, 150 no naiditra am-ponja, 153 ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny