airtel

Actualités

12-janv-2024

BRICKAVILLE

Karazan’alika masiaka no mihinana ireo omby amin’ny alina

Sample post image

Tsy mandry fahalemana ireo mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’izao fotoana izao.

12-janv-2024

Vao maizimaizina ny andro dia manidy trano avokoa ny olona no sady tsy misy sahy mivoaka intsony.Noho ny fisian’ilay biby tsy fantatra izay tonga mihinana ireo omby amin’ny alina no anton’izany ka omby miisa 40 hatreto no efa lasibatra ary ny vavany avokoa no montsana sy rovitra. Tsy nipetra-potsiny ireo dokotera mpitsabo biby any an-toerana noho izany fa niezaka ny nanao fanadihadiana. Fantatra nandritra izany ary fa karazan’alika masiaka no mihinana ireo omby any an-toerana ireo. Tsy mivoaka izy ireny raha tsy amin’ny alina raha mbola tsy fantatra kosa izay mety ho fiaviany. Tandindomin-doza hatramin’ny ain’ny mponina noho izany, antony hiantsoan’izy ireo ny Fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny. Tsy mbola nisy moa ny fepetra noraisina hatramin’ny omaly ankoatra ny famerana ny mponina mba sahy hitandrina ny biby fiompiny sy hiaro ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Maratrabe tahaka izao avokoa ny vavan’ireo omby lasibatra !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap