airtel

Actualités

09-janv-2024

Brickaville

Misy biby hafahafa mihinana ny omby amin’ny alina…

Sample post image

Isehoana tranga hafahafa any Brickaville ao anatin’ny faritra Atsinanana

09-janv-2024

amin’izao fotoana izao noho ny fisiana biby tsy fantatra voalaza fa manaikitra omby. Voalaza fa omby efa manodidina ny 40 hatramin’izao no lasibatra. Eo amin’ny faritry ny tarehy sy sofiny na kibon’ny omby no ahitana ratra ka zanak’omby efa-bolana hatramin’ny herin-taona sy tapany no tena lasibatra, raha ny fanazavana. Maty avokoa ny ankamaroan’ireo omby. Raha ny fanazavana hatrany, dia amin'ny alina no mivoaka ilay biby, ary mbola tsy misy nahita ny endriny ny fokonolona hatramin'izao. Omby 26 no efa lasibatra tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo ny 26; tao Ambodiampaly ny 12 ary ao Ambodiara ny 1, izay samy ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Brickaville. Tsy vao tao anatin’ny andro vitsy ity tranga ity, fa efa nanomboka tany amin’ny volana oktobra 2022 no nahitana, raha ny filazan’ny mponina. Somari nangingina, saingy niverina nirongatra indray ny volana novambra sy desambra 2023 teo. Tranga 12 no hita tamin’izany, ary niampy iray vaovao indray tamin’ity fiandohan’ny taona 2024 ity, raha ny tatitra avy any an-toerana hatrany. Hatramin’izao, mbola mijanona ho misitery, tsy misy mahafantatra hoe: inona marina ity biby manaikitra omby ity? Mbola tsy nisy nahita maso azy fa raha ny tsikaritry ny fokonolona dia mitovitovy amina dian’alika ny diany; saingy somary lehibe kokoa. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra voakasika amin’izao fotoana izao, hamantarana ny tena marina ao ambadik’ity tranga hafahafa ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap