airtel

Actualités

13-juil-2026

Cacao eto Madagasikara

Ekena ho manana kalitao

Sample post image

miavaka iraisampirenena

13-juil-2026

Eken'ny Fikambanana iraisampirenena momba ny kakao na ICCO ankehitriny ho firenena manana ny «100 % Fine or Flavor Cocoa» i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray. Mari-pankasitrahana omena firenena vitsy mpamokatra kakao manana kalitao miavaka izy io, hoy ny fanazavana. Vokatry ny ezaka nataon'ny Filankevi-pirenena momba ny Kakao na CNC, niaraka tamin'ireo mpisehatra ao aminy, izany ka voaporofo ny kalitao sy ny hanitra mampiavaka ny kakao avy any Sambirano. Noho io sata vaovao io dia afaka misongadina amin'ny tsenan'izao tontolo izao ny kakao malagasy fa tsy ho raisina intsony ho kakao tsotra miankina amin'ny fiovaovan'ny vidin'ny tsenan'ny kakao mahazatra. Tanjona ny hampisongadina ny kalitao, ny mampiavaka ary ny niavian'ny vokatra mba hampitomboana ny sandany ara-barotra. Ho an'ireo tomponandraikitra eo amin'ny sehatra, ilaina ny hampifandraisana io fankatoavana iraisampirenena io amin'ny fanatsaràna ny tambin-karaman'ny mpamokatra, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny niavian'ny vokatra ary ny fanarahana ireo fenitra iraisampirenena. Izany no hanamora ny fidiran'ny kakao malagasy amin'ireo tsena tena mitaky kalitao, indrindra any Eoropa, sady hanamafy ny fifaninanany eo amin'ny tsena iraisampirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique