Manam-pahaizana eran-tany miisa 12 avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa cacao no nikaon-doha tao anatin’izany. Fotoana nanaovana fifanakalozana sy fifampizarana hanatsarana ny sehatry ny kakao. Ho an’I Madagasikara manokana, nivoitra tao anatin’izany, fa miady mafy isika Malagasy hitazona ny laharana voalohany amin’ny famokarana kakao tsara indrindra sy ho maodely faka tahaka amin’ny fahombiazan’ny fanavaozana sy fanadiovana ny seha-pihariana kakao. Fanirian’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny hametrahana rafitra iraisam-pirenena toy ny ICCO (Vondrona iraisam-pirenena momba ny cacao) isak’ireo seha-pihariana hafa. “Tokony hivondrona anatin’ny rafitra iray toy io na ireo mpamboly, na ireo mpikirakira, na ireo indostrialy na mpanodina, na ireo mpanondrana, eo ihany koa ny mpividy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ahafahantsika mametra marina ny vidin’ny lavanila na ny jirofo”, hoy io Minisitra io. Nandinihana ihany koa moa io ny momba ny fanavaozana ny lisitra sy filaharan’ireo firenena manodidina ny 20 mpamokatra kakao tsara indrindra. "Isan'ny reharehan'izao tontolo izao ny kakao antsika eto Madagasikara ary tena niady isika ny hitazona ny laharana voalohany amin'ny famokarana ny cacao tsara indrindra izay misy hanitra mampiavaka azy tokoa (cacao fin aromatique)", hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Nentina tamin'ireo manam-pahaizana manokana moa ny antontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra malagasy (cacao fin) nandritra ny famaranana ity fikanan-dohan’ireo manam-pahaizana ity.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny