airtel

Actualités

24-mars-2023

Actualités

CEG Ambohidratrimo Tsy namidin’ny kaominina izany, hoy ny Ben’ny tanàna

Sample post image

Nivoaka tamin’ny gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra andro vitsy lasa izay fa namidin’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo ny ampahan’ny tanin’ny CEG ao an-toerana.

24-mars-2023

Niantso mpanao gazety ary namaly izany ity olomboafidy ity omaly ka nambarany fa nanamboarana ny ilany atsimon’ny CEG izay tsy misy fefy no nataon’ny kaominina. Mbola hiampy efitrano fianarana fanampiny vaovao izany raha araka ny fanazavany hanoloana ilay efa antitra ankehitriny. Tsy misy hamidy ny CEG hoy izy na biriky iray aza. Notsindriany ihany koa fa mahatratra 5000 ny mponina ao Ambohidratrimo ankehitriny. Mihoatra ny 1000 isa noho izany ireo mpianatra avy amin’ireo tokantrano ireo manovo fahalalana hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity koa raha azo hatao dia hampitomboana ny sekoly fa tsy sanatria hahena araka ny tsaho haelin’ny sasany. Nanambara moa Talen’ny CEG ao an-toerana Atoa Rija Nalinjatovo fa tsy tafiditra ao anatin’ny tanin’ny sekoly ny fananganana toeram-pivarotana kasain’ny kaominina hatao noho izany tsy marina velively io vaovao niely io.

Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap