sehatra iray entin’ny Jejoo sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mivelatra hatrany amin’ny fanomezana sehatra ho an’ny vehivavy, ka hisokatra maimaimpoana ho an'ireo vehivavy Malagasy mila toro-hevitra amin'ny lafiny maro, hahafahana mandray ny fitarainan'ny vehivavy, hanohana sy ho mpanome torohevitra ho an'ny vehivavy amin’ny fiainana adanavanandro, fahasalamana, fanabeazana, fampahaleovana tena ny vehivavy, zo fototra sy zo mahaolona,… « Niainga tamin’ny Gazety Jejoo ny taona 2007 izay nifototra tamin’ny fampiroboroana ny vehivavy, nivelatra tamin’ny plateforme (tranonkala, réseau sociaux), club Jejoo, fiaraha-miasa amin'ny TOP RADIO amin'ny alalan'ny fandaharana an’onjam-peo,… Hivelatra sy hanamafy ny fampivelarana ny vehivavy, zon'ny vehivavy, hametrahana hatrany ny fanaikezana ny vehivavy », hoy ny Tonian-dahatsoratry ny Jejoo Rtoa Andonandrianina Randrianarimanana omaly. Notsipihiny fa ny Jejoo teo foana ho an'ny vehivavy izay manana zo henoina sy ho afaka hiteny, ka sehatra lehibe amin’izany ny Ivon-toeram-pihainoana Iray Fo. Hisy matihanina samihafa afaka handray ireo vehivavy toy ireo matihanina amin’ny fahasalamana, hisy fifampizarana samihafa hampivelarana ny vehivavy,… « Tsy ity no toeram-pihainoana voalohany eto Madagasikara. Ny mampiavaka azy dia tsy mijanona fotsiny amin'ny fihainona ny vehivavy iharan'ny herisetra fa hivelatra manontolo amin'ny maha olona. », hoy kosa i Pasitera Trimozafy Dyna isan’ireo matihanina ao anatin’ny Ivon-toeram-pihainoana Iray Fo. Betsaka ohatra no iharan'ny herisetra noho ny bika aman'endrika, betsaka ohatra no matahotra na hanantona toeram-pitsaboana aza, kanefa maro mety tratry ny aretina toy ny homamiada'ny nono, vozon'ny tranon-jaza,... Maro ny vehivavy, antoka hahafaha-mampandroso ny Firenena, Ho hita ny fanabeazana ny vehivavy, manoloana ny ditram-bady, olana,... Hihainoana ireo vehivavy iharan'ny herisetra ara-tsaina, ara-batana,... Mitondra ratra sy aretina ireny rehefa tsy havoaka. Ao anatin'ny fanajana ny tsiambaratelo, raha ny fanamarihana. Hisokatra ho an'ny rehetra, isan'andro manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 6 ora hariva ny "Centre d'écoute" IRAY FO.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny