airtel

Actualités

05-juin-2026

Clémence Raharinirina "

Ny mpanenjika misy foana,

Sample post image

ny asa no ifampitsarana!"

05-juin-2026

Na inona na inona zavatra sy ezaka hatao dia tsy maintsy misy foana ny manaratsy sy manenjika, saingy aoriana ireny fa tsy ao aloha", hoy ny Lehiben'ny Faritra Analamanga omaly manoloana ny voalaza fa fisian'ny tsikera sy fanenjehana ary fanasoketana atao azy. Lazaina fa manome vahana ireo ambara fa "Forongony", saingy ampanetren-tena no ilazana fa lohalaharana amin'ny fanadiovana, hoy izy, ka nesorina ireo heverina fa nanao ny tsy nety. Nanipika fa mpiasam-panjakana eo anivon'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ka amin'ny asa tahaka izao dia misy vokatra andrasan'ny Fanjakana. "Ny asa no ifampitsarana, ny asa vita no ifampijerena, ka ho anay dia miasa miasa miasa, ary betsaka ny tamberiny, raha ny azo avy amin'ireo kaominina maro eto Analamanga. Mitohy ny asa samihafa toy ny fanamboaran-dalana,...", hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Mikasika ny fanadihadiana na "audit" nangatahana raha vao nandray ny fitantanana kosa, nilaza Rtoa Clémence Raharinirina fa efa am-periny tanteraka ny IGE (Inspection Général de l'Etat), nanao fanadihadiana ny fitantanana teo aloha nandritra ny roa volana. Betsaka moa ireo nambarany tany am-piandohana fa tsy fanajariana tamin'ny fitantanana, raha tsy hilaza afatsy ny nanamarihany tamin'izany fa ireo "engins" ohatra dia tany an-tokontanin'ny mpitantana teo aloha no nalaina, izay betsaka no simba ka tsy maintsy narenina. Tsy afaka ny hisovoka ny asan'ny IGE kosa, saingy mangataka hamoahana ho fantam-bahoaka ny vokatry ny fanadihadiana momba ny fitantanan'ny mpitantana teo aloha. Nanipika fa tsy tsara toerana hamoaka ny antsipirihany fa ny IGE no matihanina sy efa nanankinana izany, ka manaja an'izay ny Faritra Analamanga.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap
05-juin-2026

Mitaraina ho tsy voaloa tambin-karama ny mpiasa sasany

Card image cap