airtel

Actualités

21-déc-2022

Actualités

Conseil national des femmes de Madagascar Mitaky ny hankatoavana ilay lalàna momba ny fanajana ny zon’ny vehivavy

Sample post image

Mitaky ny hankatoavana ilay lalàna momba ny fanajana ny zon’ny vehivavy na ilay protocole ny Maputo ny filan-kevitra nasionaly momba ny vehivavy eto Madagasikara na ny CNFM.

21-déc-2022

Hatreto mantsy dia mbola tsy nolaniana hatrany io protocole io hany ka maro loha ireo olana sedrain’ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’ireny ny fisitrahan’ny vehivavy ny zo ara-pahasalamana momba ny fananahana tokony hananany. Tokony hisy hoy Rtoa Estelle Amad, sekretera jeneraly eo anivon’ny CNFM ny lalàna mifehy izany ary hanan-tsafidy malalaka ny vehivavy fa tsy hoteren’ny fiaraha-monina. Anisan’ireny ny resaka fanabeazana aizana. Tokony hanan-tsafidy malalaka ny vehivavy iray hoy izy na hampiasa izany na tsia fa tsy sanatria hoterem-badiny na ny fianakaviany. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mikasika ny fanalan-jaza. Ekena fa aina ny zaza miforona ao am-bohoka hoy izy saingy tokony hojerena kosa ireo vehivavy manana olana ara-pahasalamana na voaolana ka tsy afaka na vonona ny hitondra izany zaza izany mandritra ny sivy volana ao an-kibony. Tsy tokony hisy ny fanenjehana na fanerena ireo vehivavy voakasik’izany hoy hatrany ny fanazavany. Marihina moa fa nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba ny CNFM omaly. Vehivavy manodidina ny 100 no naneho ny heviny mikasika io zo ara-pahasalamana momba ny resaka fananahana eo amin’ny vehivavy io ka hisy ny fehin-kevitra havoaka.
Pati
Legende : Rtoa Estelle AMAD, sekretera jeneralin’ny CNFM

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana

Card image cap
02-mai-2024

Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)

Card image cap
02-mai-2024

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly

Card image cap
02-mai-2024

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

Card image cap
02-mai-2024

Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.

Card image cap
02-mai-2024

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

Card image cap