airtel

Actualités

07-juil-2026

COPH

Atsaharo ny fanilihana ireo

Sample post image

manana fahasembanana !

07-juil-2026

Tsy tokony hahilika intsony ireo olona manana fahasembanana eny anivon'ny fiaraha-monina hoy ny COPH na ny Collectif des organisations des personnes handicapées. Manan-jo tahaka ny olombelona rehetra izy ireny hoy izy ireo toy ny zo hisitraka fahasalamana, asa, foto-drafitrasa mifanaraka amin'ny toe-batany, ny fanabeazana sahaza azy.... Izany indrindra mantsy no antom-pisian'ilay tetikasa Voizo Analamanga niarahan'izy ireo tamin'ny CBM Global Madagascar. Niparitaka teny anivon'ireo kaominina miisa 12 io tetikasa io teto Analamanga nanofana sy nampianatra ireo tompon'andraikitra eny ifotony sy ny mpiara-belona mba hahay hanaja ny zon'ireo olona manana fahasembanana fa tsy sanatria hanilika azy ireny. Naharitra 2 taona ity tetikasa ity. Tanjona ny hampaleo tena ireo olona manana fahasembanana amin'ny lafiny rehetra. Nisy ihany koa ny fanentanana natao tamin'ireo sampandraharaha eo anivon'ny kaominina mba ho afaka handray ireo olona manana fahasembanana izy ireo, indrindra fa ny lafiny arak'asa. Manodidina ny 30% eo ho eo ireo olona manana fahasembanana eto amintsika.
Pati
Légende : Mananjo tahaka ny olombelona rehetra ny olona manana fahasembanana .
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap