airtel

Actualités

28-avril-2021

Actualités

“Crématorium” Anosizato 2 tapitrisa Ariary ny mandoro faty iray

Sample post image

Toerana fandorana faty hany tokana eto Antananarivo renivohitra ny “Crématorium” etsy Anosizato.

28-avril-2021

 

 

 Nomen’ny olona anarana hoe : Fasan’ny Karana ilay toerana, izay manamorona ny reniranon’Ikopa. Efa zato taona mahery no nisian’ity toerana ity, ary Karana no mitantana azy. Raha ny hita peta-drindrina eny an-toerana dia misy sarany fa tsy maimaimpoana ny fandorana faty ao, 2 tapitrisa Ariary ny iray. Kitay no tena miasa. Ny fianakaviana no manao izay ahatongavan’ny faty sy mametraka azy hatreto ambonin’ny kitay efa voalahatra, ary ny mpiasa ao kosa no manatontosa ny fandorana. Mandany kitay mitapatapaka 1m eo, 60 ka hatramin’ny 70 isa ny fandorana faty iray amin’ny ankapobeny. Miovaova arakaraka ny haventesan’ilay olona maty sy ny karazana kitay ampiasaina anefa io habetsaky ny kitay ilaina io. Maharitra ora roa ka hatramin’ny ora roa sy sasany eo ny fandorana faty iray vao tena lasa lavenona tanteraka. Mora dorana kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy, raha ny fanazavan’i Bonaventure mpiandraikitra izay efa ela niasana ao. Roa ka hatramin’ny telo isan-kerinandro eo ny faty dorana ao amin’ity “Crématorium” etsy Anosizato, tato anatin’izay vanim-potoana nampisy ny valanaretina coronavirus izay. Misy Malagasy amin’ireo, misy vazaha ankoatra ny Karana. Maka ampahany amin’ny lavenona sisam-paty ny fianakaviana, halevina any an-toeran-kafa na havalana ny rano arakaraka ny fomban’ny fianakaviana manana ny maty.

Jean D.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap