teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity nandritry ny 4 taona, kanefa nenjehina nesorina tao anatin’ny 10 andro mba tsy ho hitan’ireo firenena rahavavy hiatrika ny lalaon’ny nosy eto amintsika ve fa dia napetraka nanoloana ny fianarana ho mpitsabo etsy Antsakaviro ankehitriny ny dabam-pakon’ny CUA na KAR? Maro ireo tafitohina manoloana ity fanapahan-kevitra ity ary mitsara izany ho mbola isan’ny fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto Madagasikara na koa fanambaniana ny asa fampianarana sy fikarohana eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsiahivina rahateo fa sampan-draharaham-pitiliana sy fikarohana momba ny fitsaboana na “laboratoire” ity etsy Antsakaviro ity. Hahamehana diso tafahoatra ve sa fihantsiana? Tsy firaharahiana ny atao hoe fahasalamam-bahoaka koa ve, ankoatran’izay fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana sy fikarohana na fampianarana izay? Maro ny fanontaniana tian’ireo mpanara-baovao apetraka no sady miharo fahasorenana ihany koa!
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa