airtel

Actualités

15-oct-2025

Dany Rakotoson

«Andao hanova fa tsy handany andro hifanenjika!»

Sample post image

Isaky ny 7 taona teo ho eo isika no miaina

15-oct-2025

krizy politika tahaka izao, hoy ny mpamakafaka politika, Dany Rakotoson. Efa krizy miverimberina no anaran’izany, hoy izy, ary ity krizy farany ity no vao mainka manamafy mihitsy fa misy rafitra tsy mety eto Madagasikara. Iarahantsika mahita eny an-kianja eny fa ny olona rehetra, ny any anaty tambazotran-tserasera dia manamarina izany daholo. Tsy misy iandrasana fotoana angamba hoe rahoviana no hanovàna rafitra fa tokony anaty fotoana mihitsy isika izao andinihana lalina. Efa ela aho no niteny io filàna fanovàna rafitra io. Mila manao fikaonandoham-pirenena isika. Niteny mihitsy aho tamin’izay fa ny fitondràm-panjakàna mahefa no afaka manao fikaonandoham-pirenena satria ao aminy ny fahafahana na ara-pitaovana na ara-bola. Azo angonina ireo raiamandreny ara-drazana, ara-panahy, ireo antoko politika isan-karazany, fikambanana samihafa eto amin’ny firenena. Ireny rehetra ireny no tsy maintsy mandinika hoe malagasy ohatry ny ahoana no tokony ho hita eto afaka 5 taona na 10 taona? Madagasikara ohatran’ny ahoana no tokony ho hita eto afaka 30 taona? Inona no rafitra tsara apetraka? Manana tekinisianina betsaka isika. Tekinisianina nanao haitarika politika na «management politique» no afaka mandrafitra izany. Olona miisa 2 ihany hatreto no fantatro amin’ny ankapobeny. Mpampianatra ny iray. Any amin’ny oniversiten’i Toliara any. Ny iray dia i Laza Razafiarison. Lasa mamotika firenena indray no ataontsika mianakavy amin’izao zava-misy izao raha lasa fanenjehana fotsiny. Mitohy foana ny fifanaratsiana na «diabolisation». Raha tena tia an’i Madagasikara isika ka hametraka izay rafitra vaovao izay. Raha ho lany fotoana hifanenjika eto isika dia tadidio ilay hoe «Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ahy!». Na ireo mpanohitra ireo, na ireo mpiasam-panjakàna milahatra eo amin’ny 13 may ireo, na ny avy amin’ny fitondràna dia efa samy nanota daholo. Tsy izay no tokony hitondràna azy fa tena ilay fitiavan-tanindrazana hoe andao hanova! Raha mitohy izao dia hiverina eto indray isika afaka 7 taona. Mila mandinika tsara izay ahafahana mandamina isika satria tsy ny fifanenjehana eto no hanova zavatra. Hamotika antsika izany. Efa potika isika io dia mbola ho potika ihany. Andao hanova fa tsy handany andro hifanenjika! Andao hanangana Madagasikara vanona! Miantso ny tafika ireny, ny fikambanana isan-karazany, ny filoham-pirenena mbola am-perinasa hoe mila mametraka fitoniana isika. Ny mampalahelo fotsiny dia hoe misy fanesoana be dia be ho an’ireny olona tia tena rehetra ireny. Tokony apetraka ambony ny hoe mila filaminana isika! Fomba fiteniko matetika ny hoe ny harena tsy azo raha tsy am-pilaminana. Harena ny rafitra ho apetrantsika raha vitantsika ny mametraka azy mba hampanankarena ny malagasy rehetra. Vitantsika izany ary azo atao. Lehibe lavitra noho i Lafrantsa ity firenena ity. 30 tapitrisa ny mponina ao aminy. Ry zareo 70 tapitrisa. Manana ny asany daholo ary fanjakàna manana ny maha izy azy izany Frantsa izany. Raha tafapetrantsika tsara izany izay rehetra izay dia afaka miriaria isika ho an’ny taranaka, mamela firenena vanona, maitso ahafahana manankarena tsara sy mampandroso ny firenena. Misy fanovàna tsy maintsy atao. Fantantsika mianakavy izany. Voalohany indrindra ny lalàmpanorenana. Tokony ho atao tsy azo dikaina io satria ny mampalahelo izao dia mandrisika hanaja lalàmpanorenana ny mpitondra teo nefa izy mihitsy no manivatsiva ny lalàmpanorenana. Isika mianankavy no afaka hanangana firenena vanona fa tsy hoe ny tanora fotsiny na raiamandreny fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija