airtel

Actualités

25-févr-2022

Actualités

Dany Rakotoson “Lasa mpanao asa soa ny mpitondra ”

Sample post image

Ny zava-miseho iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia miainga amin’ny tranga any amin’ireo mpitondra ihany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

25-févr-2022

 Izay ilay hoe avy any ambony ny ohatra, hoy izy. Efa hatry ny ela no nisavoritaka ny vahoaka. Amin’ny resaka fihariana io, fahantrana noho ny tsy fihatsaran’ny fahefa-mividy, ny tsy fandriampahalemana, kolikoly sy ny rehetra. Mahatonga izany voalohany indrindra ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana izany atao hoe politika mazava tsara entina hanatsarana ny fiainan’ny tsirairay izany. Rehefa tsy misy izany dia samy manao izay ho afany daholo fotsiny. Ny mpanararaotra manararaotra. Ny mpanao kolikoly manao kolikoly. Ny manam-pahefana manao ny adalany amin’ny fanaparam-pahefana. Hitantsika ireny fanenjehana mpampianatra fanatanjahantena tamin’ny tambazotran-tserasera lasa resabe ireny. Malahelo ny tena mahita ny serasera ao amin’ny fiadidiana ny repoblika. Tsy misy afa-tsy fizarana vary tsinjo izay andraikitry ny mpanao asa soa no anaovan’ny fiadidiana ny repoblika serasera fa tsy misy mihitsy hoe inona no politika mba tsy hisian’ireny intsony satria manjary lasa ohatran’ny hoe mpanao asa soa sisa no asan’ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara fa tsy misy politika hanatsarana fiainam-bahoaka. Fanamby tokony hapetraka izao dia hoe andao hatsaraina marina ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy, ny resaka famoronana asa, ahoana no hiarovana ireo orinasa efa eo sy ny hanampiana azy ireny tsy hikatonany sy ny maro hafa, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap