airtel

Actualités

27-oct-2022

Actualités

Dany Rakotoson “Na ny taranantsika aza mila arenina”

Sample post image

Manana ideolojia foana ny antoko politika iray, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny tadiaviny dia ny hananana olona maro tafapetraka any amin’ny antenimieram-pirenena,

27-oct-2022

ny kaominina, ny antemieran-doholona, hoy izy. Raha mialokaloka aorian’ny fitondram-panjakana izy tsy hanana olona mihitsy. Mila mampiseho fa antoko manana ny maha izy azy izy noho izany. Mahavita zavatra, nanaraka ny fitondrana rehetra teo fa mahaleotena. Tsy sinema ilay izy fa ireny no ataon’ny vazaha hoe “démarquage”. Ao anaty demokrasia isika dia manao izay ho afany ireo filohana antoko hitantsika farany teo ireny. Tadidio fa herintaona sisa dia ho tonga ny fifidianana filoham-pirenena. Ny fanarenana ny firenena moa ilaina foana ho an’ny firenena farany mahantra toa antsika. Na ny taranantsika aza mila arenina. Fanabeazana maha olompirenena no mahatonga ny olompirenena iray tsy mahalala ny andraikiny intsony na hoe fanajana vahoaka sy fianakaviana izany. Tsy tokony ho reraka manarina isika. Ny politika enti-manarina no tokony ho jerena hoe politika fihariana no hitondrana azy na resaka fiarahamonina, fiarovana tontolo iainana sy ny maro hafa ary izay foana no mahatonga ahy hiteny hoe tokony ho fehezina amina fehinkevitra miisa 3 ilay antoko politika marobe. Samy mifidy izay ho arotsany ho filoham-pirenena ny isaky ny firehana aloha dia mba kandida miisa 3 sisa no mifaninana ho fidian’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap