airtel

Actualités

27-déc-2021

Actualités

Delestazin’ny Jirama Mamotika fiainan’olona maro

Sample post image

Tsy misy tsy mitaraina amin’ny delestazy ny rehetra. Miantraika tanteraka amin’ny asa fihariana, ary mamotika zavatra maro

27-déc-2021

. Hatramin’ny hopitaly aza lasibatra kanefa maro ny fitaovana mila herinaratra, ary iankinan’ny ain’olombelona mihitsy. Ekena fa misy ny milina afaka miodina ho an’ny sasany, saingy mety hisy olana. Ireo fihariana miankina amin’ny herinaratra aloha dia lasibatra tanteraka, ka isan’izany ireo mpanao mofomamy nandritra ny fetin’ny krismasy teo. Ny asan'ireo zanako simba (tapaka jiro) tany antsena. Ny asan'ireo zanako simba (tapaka jiro) teo ampanodinana ireo “crème”,... Ny asan'ireo zanako simba tapaka jiro tao anaty frigidaire. Ireo entana simba tsy mba azo navotana akory. Tezitra tamin-dry zareo ireo “client” tsy nahazo efa niandry fatratra nanomboka 24 desambra, simba ny orin'asa keliny afabaraka 200%. Very vola. Sambany tamin’ny fiainanay ny tsy nandeha nivavaka tany ampiangonana ny 25 desambra 2021 fa nifanampy namita izay tratra nandritra ny jiro mba nandeha avy eo niaraka nanao “livraison”, izaho no mandray ny finday miaritra ny vavan'ireo “clients” satria efa dila ny fotoana nilany ny entana”, hoy ny Raim-pianankaviana iray. Ampahany amin’ny fanehoan-kevitra vokatry ny fatiantoka ara-toekarena ateraky ny delestazin’ny Jirama.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap