airtel

Actualités

13-août-2024

Delestazy 7 minitra mampiaka-peo loholona

Ary ahoana ny fahatapahana ora maro mahazo ny vahoaka ?

Sample post image

Tapaka ny herinaratra nandritra ny fanolorana ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana omaly

13-août-2024

tetsy amin’ny Lapan’Anosikely. Maty nandritra ny 7 minitra mahery ny herinaratra ny andron’ny omaly, ka nahatapaka ny fampitana mivantana tamin’ny fahitalavitra. Namatrapatratra ny Filoha Lefitry ny antenimierandoholona Atoa Nicolas Rabemananjara noho ny fahatapahana. Tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Ratsiraka fa nigadra tany amin’ny « prison militaire » ny miaramila miandraikitra ny herinaratra tany an-dapa vao misy fahatapahana 3 minitra ny jiro, hoy ny fampahatsiahivana. Niaiky fa tena marina tokoa hoe : tena mitaraina ny vahoaka Malagasy. Raha io fahatapahana tsy manam-pahataperana io dia tokony higadra firy andro na firy volana na firy taona izany ny mpitondra ? Fahatapahana fito minitra aza mahatezitra ny loholona ary tonga hatramin’ny fibedesana na fandrangarana sazy ho an’ny mpiasa miantsoroka ny herinaratra ao anaty lapam-panjakana ka mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve ny fahatezeram-bahoaka eo anatrehan’ny fahatapahana adin’ny iray hatramin’ny adin’ny dimy ary misy aza mihotra ny adin’ny folo na iray andro mihitsy any amin’ny faritra sasany ? Nanamafy an’io ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia ny Jeneraly misotro ronono Atoa Richard Ravalomanana fa hoe : tany amin’izay nalehanay dia betsaka no nitaraina amin’ny delestazy. Ity ilay miantehitra amin’ny solika ity tena manahirana, mora ho an’ilay tompon’andraikitra ny manodina azy, ka na ampiana ny fanaraha-maso ny mpiasan’ny Jirama, na manao izay araka izay azo atao amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, hoy izy. Mihamafy hatrany moa ny fahatapahana ka anisan’ny nolazaina fa antony ho an’ny omaly ny olana ara-teknika, niampy ny filazana fa tapaka ny taribin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika 63Kv mampitohy an'Ambohimanambola sy Ambodivona ka mampihato tanteraka ny famatsian herinaratra miainga ao amin'ny « sous-station » Ambodivona. Efa tsy vaovao intsony ny fitanisana olana sy fitadiavana zavatra hanaovana serasera ho anton’ny olana. Mbola lavitry ny kitay ny afo, ary tsy arakaraka ny fandrangarangana fanasaziana ara-bola 5% eo anatrehan’ny fahataran’ny faktioran-jiro sy rano. Ny tolotra anefa tena tsizarizary, fa tsy arakaraka ireo fampanantenana zavon-tany sy vava be nataon’ny mpitondra ankehitriny fony mpanohitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap