airtel

Actualités

07-avril-2026

Delestazy ao Antsirabe

Nidina an-dalambe andro

Sample post image

paska ny mponin'i Mahazoarivo

07-avril-2026

Raikitra ny grevin'ny mponina tao amin'ny fokontany Mahazoarivo anatin'ny Kaominina Ambonivohitr'Antsirabe ny takarivan'ny paska teo. Nandoro kodiarana ny mponina noho ny jiro tapaka efa ho 4 andro, raha ny filazan'izy ireo. Noho ny fahatapahan'ny "poutre" eo amin'ny andrin-jiro laharana faha-465 eo Antsampanimahazo Avaratra no fototry ny olana, hoy ny Jirama. Eo ihany koa ny fahamaizana eo anivon'ny "armoire de commande" an'ny vondro-mpihariana herinaratra ao amin'ny tobim-pamokarana ao Ambalavato. ‎Ireo tompon'andraikitra rehetra dia efa mandray ny andraikiny, ary manao ny ezaka rehetra hiverenan'ny famatsiana indray, hoy ny fampanantenana nataon'ny Jirama. Ny sabotsy teo no efa nilazana fa nandray ny andraikiny ireo Mpitantana eo anivon'ny JIRAMA, ka tonga ny sabotsy ny vata fihariana herinaratra 400kW, hanampy ireo efa eto an-toerana. Ny alahady, nisy faritra sasany efa niverina ny jiro, nisy sasany mbola tsy niverina mihitsy hoy ireo mponina any an-toerana ka tsy zaka intsony. Noho izany no nisian'ny doro kodiarana toy ny tao Mahazoarivo. Marina fa tsy mora ny manao zavatra saingy mba mety efa sasatry ny niandry ny vahoaka satria tena zava-dehibe ny herinaratra. Mifantoka fihariana sy fiainan'olona maro ankoatra ny maha filàna fototra azy. Antony iray nahatonga ny hetsi-bahoaka farany teo dia ny Septambra-oktobra 2025 izany. Mila vahaolana maharitra sy mahomby mazava ho azy...
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap