airtel

Actualités

01-avril-2026

DELESTAZY ETSY SY EROA

Fitsinjaràna sy ny fizaràna

Sample post image

no misy olana..

01-avril-2026

Tsy manana olana amin’ny famokarana ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy saingy ny fitsinjaràna sy ny fizaràna no misy tsy fahatomombanana, hoy ny fanazavàna voaray omaly. Mandritry ny fotoana maha betsaka ny mpampiasa herinaratra, mbola manana hatramin’ny 20mw amboniny ny Jirama, hoy ny voalaza. Hatramin’ny 150% mahery kosa ny vesatra ho entin’ny vata mpanova herinaratra ka mahatonga ny olana amin’ny fitsinjaràna sy ny fizaràna izany, hoy ny tale jeneralin’ny JIRAMA omaly. Andrasana, noho izany, ny fahatongavan’ireo vata mpanova herinaratra miisa 50 mahery izay hiaraha-miasa amin’ny banky iraisampirenena. Tsy ho ela ny fahatongavan’izy ireo ao Toamasina, raha ny tatitra. 70 %n’ireo andrin-jiro hazo eto Antananarivo kosa no efa simba, hoy hatrany ny JIRAMA, saingy an-dalana ny fanoloana azy ireo ho lasin-tsimenitra na «béton».
Nangonin’i J. Mirij
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap