lavareny amin’ireo renivohi-paritany sasantsasany. Anisan’ny efa notaterina teto fa mikolay ny any Mahajanga satria mahatratra hatrany amin’ny 6ora isan’andro rehefa atao ny kajy, hany ka velon-taraina ireo mpandraharaha ara-toekarena samihafa. Iny ihany koa fa nidina an-dalambe ny vahoakan’Ambatondrazaka ny andron’ny omaly noho ny fahatapahana lavareny sy efa ho lava, ka nitaky ny fampandehanana ny jiro ny vahoaka. Fitakiana fampandehanana ny herinaratry ny Jirama tapaka nanomboka ny alatsinainy teo no antony, izay nambara fa olana tany amin’ny Logistique Pétrolier fa tsy niankina tamin’ny Jirama. Noravan’ny mpitandro ny filaminana, ary tonga ny soliky ny Jirama rehefa nanakaiky ny mitatao vovonana ka nilamindamin-dratsy. Milaza ireo mponina fa potika ny fihariany, tsy te hahalala ny Jirama fa manapaka avy hatrany vao tara ny faktiora, kanefa raha tsy hanaovana hetsika tahaka izao tsy mamaha olana. Tapa-bolana lasa moa izay no nivoaka ny vaovao milaza ny hampihenana 20% ny fandanian-tsolika manerana ireo tanàn-dehibe ankoatra an’Antananarivo, Sainte Marie, ary Nosy Be, ka heverina fa efa mihatra io amin’izao fotoana izao, ka manamafy ny fisiana fahatapahana any amin’ny toerana samihafa, eny fa na ny eto Antananarivo aza dia tsy mety voafehy ny fahatapahana. Vao herinandro lasa izay no nitroatra ny vahoaka tetsy Ampandrianomby noho ny fahatapahan-drano lava, izay miditra fa manomboka mitroatra ny olona eo anatrehan’ny olana ara-tsosialy.
FAMPANANTENANA NO BETSAKA
Ny isan’ny vaovao sy vahaolana noresahan’ny Fanjakana niainga hatrany amin’ny volana janoary dia ny fahatongavan’ireo milina miisa 7 hamokatra 105MW hanampiana ny tambajotra RIA hapetraka eny Ambohimanambola kanefa ireo ihany koa aza mbola solika no hanodinana azy. Ny herinandro lasa teo, tao anatin’ny fandaharana manokana fivahinianan’ireo minisitra amin’ny fahitalavitra TVM no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Olivier Jean Baptiste an’ireo toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro amin’ny toerana miisa 47, izay 300 kaontenera ny fitaovana ho avy, inambara fa ezahana hovitaina hatramin’ny faran’ny volana jona amin’ity taona ity. Ara-teknika sy ara-bola, dia eo amin’ny 50MW eo ny famokarana entin’ireo, hiteraka fitsitsiana solika hatrany amin’ny 18 tapitrisa litatra isan-taona io, hiteraka ambim-bava 90 miliara Ar. Zava-dehibe ny firesahana sy fitanisana vahaolana, ary mbola misy aza ny lavitr’ezaka kokoa toy ny tetikasa Sahofika izay toa somary misy olana, ny tetikasa Volobe izay efa noresahana hatry ny ela. Manodidina ny 300MW mahery ireo raha tanteraka saingy mbola lavitr’ezaka hatreto, fa ny fiezahana hitanisa sy hamerimerimberina azy no toa hampitonitoniana ny saim-bahoaka. Tsy vao izao anefa no nisian’ny fampanantenana, fa hatrany amin’ny janoary 2022 no efa nanaovana serasera mipoapoaka fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana eo dia hivaha ny delestazy, ka isan’ny noresahana ny milina faha-4 ao Andekaleka. Mby aiza isika izao ? Ny Jirama toa miha milentika, ary ny mpamatsy vola sisa tavandraina hanohana ara-bola hanavotana azy, ny Tale « Manager de redressement » tsy mety voatendry, ny trosa mifampiditra amin’ny resaka solika tsy hay intsony,… Miandrandra vahaolana maharitra ny vahoaka na amin’ny resaka jiro na ny rano, fa tsy fampandriana adrisa lava no asesika !
Toky R
Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny
Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny
Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,
Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana
Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo
Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na