airtel

Actualités

04-sept-2025

DELESTAZY MIANDRY ROTAKA

Nanjavona ny vola ividianana solika sa nalefa any amin’ny teleferika ?

Sample post image

Mampiteny ny moana indray ny delestazy eto Antananarivo sy ny

04-sept-2025

manodidina tato anatin’ny herinandro. Haizim-pito sy fahapahana tsy nifankahitana na « black out »ny ankamaroan’ny tanàna omaly, tsy teto an-drenivohitra ihany fa mikaikaika ireo distrika hafa mampiasa ny tambajotra iraisan’Antananarivo, hatrany Antsirabe, Antananarivo Avaradrano, Atsimondrano, Manjakandriana,… Betsaka ny tratry ny fahatapahana 2ora hatramin’ny 4ora in-droa na in-telo miverina. Tao anatin’ny herinandro, rakotra hoe : « Fampahafantarana ireo toerana hampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby », ny pejin-tseraseran’ny Jirama izay tsy tena misy tatitra sy fanazavana firy intsony. Nambara omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 Ora ny hoe : « Ampahafantarina ny fihatoan'ny famatsiana herinaratra ao Andasibe, noho ny olana ara-teknika hita tamin’ny tambazotra mitatitra herinaratra mavesatra.», saingy nialohan’izay no efa delestazy goavana. Tsy ny RIA ihany fa hatrany Fianarantsoa, Mahajanga,… anaty fahatapahana goavana. Ny tao Toamasina niafara tamin’ny rotaka noho ny fahasosoran’ny mpianatra ny herinandro teo, izay nialokalofana ny andro ratsy. Hiakatra Fitsarana anio ireo mpianatra miisa 6 izay nosamborina, izay nambaran’reo namany fa tsy anisan’ny nigrevy akory, ary ny ampitson’ilay rotaka naharatrana olona, izay nisian’ny Grevy noho ny herinaratra mbola tsy nisy no nisamborana ireo mpianatra. Dia io mihamafy io fahatapahana hatraty Antananarivo sy saika manerana ny Nosy. TENA OLANA TEKNIKA VE? Tena olana teknika sa delestazy ekonomika indray ny zavatra mitranga ? Ahiana indray ny resaka olana ara-tsolika noho ny mety tsy fahaloavana trosa. Sa ampandeferina ny vahoaka mba hahafahana manodina ny teleferika izay zary lasa henatra ho an’ny fitondrana raha sanatria tsy miodina ? Ny fandaniana solika ny teleferika izay mandany vola tsy toko tsy forohana satria 100 hatramin’ny 150 litatra isan’ora isaky ny groupe, kanefa tsy iray fa maromaro no mila haodina raha izay? Mahatratra 162 000 euros na 830 tapoitrisa Ar isam-bolana raha miodina mandritra ny 12 ora isan’andro. Miomana amin’izany ve sa nalefa any amin’ny teleferika ny herinaratra tokony hositrahan’ny valalabemandry ? Ary mba aiza no niafaran’ilay hoe : misy manodinkodina ny solika ? Tsy hamelako !? Raha heverina indray fa fitsinjovana sy fitsitsiana mba hahafahan’ny Malagasy manaraka ny lalaon’ny Barea anio hariva no anton’ny delestazy, dia toa tsy mampino loatra satria ny fandaharam-potoanan’ny fahatapahana ho an’ny anio aza efa nivoaka, ka tanana an-jatony toy ny isan’andro no hisy fahatapahana. Henjana sy zava-doza hatrany ny zava-mitranga kanefa toa tsy rototra firy intsony ny mpitondra matim-boninahitra sy tsy mahalala ny laharam-pahamehana. Ireharehana ny teleferika fa ny vahoaka mifafa ny kihony vokatry ny delestazy miteraka fatiantoka goavana ara-toekerana sy sosialy. Lazaina fa tompondakan’ny indostria fa ny indostria Malagasy betsaka no mandohalika vokatry ny delestazy. Mbola fialan-tsasatry ny governemanta izao, ary ny minisitra be bokotra misahana ny fitandroana ny filaminana no nambara fa manohy ny asa ka tsy atao mahagaga raha tsy maharototra ny mpitondra ny delestazy. Na eo koa aza moa tsy mahavaha olana hatraty ambany ka hatrany an-tampony ! Miandry rotaka vao ho taitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap