nanakan-dàlana sy nandrehitra kodiarana ireo mponina ny takariva efa madiva ho alina noho ny fahatezerana vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny. Tsy vao sambany io, fa efa matetika ny hetsika mahery vaika, saingy mbola misy hatrany ny delestazy, ka mahatonga ny olona hitroatra. Tao anatin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ho an’ny baolina kitra, na nisy aza ny fampanantenan’ny Jirama ny hifehezana ny fahatapahana, na zara fa 28 tamin’ny 64 aza ny lalao nampisitrahan’ny Fanjakana ny Malagasy, dia mbola maro ireo lalao tamin’ireo kely mba azo no tao anaty fahatapahan-jiro. Nampanatena ny Jirama, fa hitohy ny ezaka na tsy ao anatin’ny “mondial” intsony aza, ekena ny fisian’ny olana izay tsy sarotra ny manarina azy, re foana ny hoe: andalam-pahamahana,… saingy matoa tonga amin’izao dia efa tena tsy zakan’ny olona intsony. Efa leo fanazavana sy fitanisana olana lava rahateo ny vahoaka. Betsaka ny fatiantoka ateraky ny delestazy amin’ny fiharian’ny olona, ankoatra ny tsy fahafaha-misitraka azy amin’ny alina. Toa tsy mahataitra firy ny fitondrana intsony anefa izany, efa raisina ho fahazaran’ny olona sy fiainana andavanandro ny delestazy.
Nahatratra ora 6 be izao ny delestazy teny Itaosy omaly izay nahakasika ny tananan’i Bemasoandro, Andranonahoatra ary Ambohidrapeto. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny JIRAMA dia nisy olona nametraka fibra optika teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Voakasika vokatr’izany ny MT an’ny orinasa JIRAMA ka nisy fiantraikany mivantana tamin’ny fanatsiana jiro ireo mpanjifa an’alin-kisa manerana ireo kaominina telo ireo izany.
Toky R sy Pati
Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana
Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)
Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly
hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.
Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.
Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry