airtel

Actualités

26-déc-2024

DELESTAZY TENY ITAOSY

Nanary mpanjifa 30 isa ny mpanao volo iray

Sample post image

Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.

26-déc-2024

Tapaka nanomboka tamin’ny 07 ora maraina mantsy ny jiro ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 06 ora hariva. Vokany, asa fivelomana maro no potika toy ny asan’ireo mpanamboatra mofomamy, ny mpanao volo, ireo mpanamboatra gilasy sy yaourt kaomandin’ny olona nandritra ny andron’ny Noely omaly Alarobia 25 Desambra….Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpanao volo iray dia very mpanjifa manodidina ny 30 isa teo ho eo izy tamin’io andro io raha kely. Noho ny fahamaizana mba hitady vola anefa dia tsy niasa irery koa izy ireny fa naka olon-kafa mba hanampy azy izay tsy maintsy nandoavana karama rehefa hariva ny andro. Tsy navotsotra teny antenantenany mantsy ireny aide coiffeuse ireny noho ny fiheverena sao dia hiverina vetivety ihany ny jiro kinanjo maizina ny andro vao voavaha ny olana. Kivy sy niraviravy tanana tanteraka ireo nanao asa mivelona amin’ny herinaratra teny an-toerana vokatr’izany. Ho an’ireo mpanao mofomamy sy gilasy kosa dia ny alina vao afaka niasa ka nisy tsy natory mihitsy hatramin’ny omaly Alarobia 25 Desambra maraina. Mbola nisy ihany anefa ny delestazy teny anelanelam-potoana teny saingy tsy maintsy niharetana namonjena ireo kaomandin’olona. Mbola nitohy hatramin’ny omaly Alarobia 25 Desambra moa io delestazy io nanerana ny faritra maro teto an-drenivohitra.
Pati
Legende : Zara raha nahazo vola ireo mpanao volo teny Itaosy nandritra ny fety !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap