Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Efa tonga any amin’ny faritra hafa maro mihitsy izany izay nambaran’ny Depiote Narson Rafidimanana, lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina fa tranga tsy niainantsika tato anatin’ny 5 na 10 taona lasa mihitsy. Raha notohizana mantsy ilay tetikasa Volobe tany Toamasina tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina hoy izy dia tsy ho tahaka izao mety ho vokany. Inona no antony tsy nanaovana sonia azy iny hoy hatrany ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Antanifotsy ity. Mikasika ilay teti-bola natokana ho an’ny Fanabeazana izay fantatra fa hoavadiky ny Fitondram-panjakana hamatsiana sy hanarenana ny orinasa JIRAMA indray dia notsindriany manokana fa tena tsy azo ekena mihitsy. Efa tena marary ny sehatry ny Fanabeazana eto amintsika hoy izy izay tena mila fanarenana nefa mbola hatao ambanin-javatra ihany koa inona intsony no fampandrosoana azo handrandraina ?
Pati
Legende : Ny depiote Narson Rafidimanana lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina tany amin’ny distrikan’Antanifotsy !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny