manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny hetsika nisongadina tamin’ny fiafaran’ny taona 2024 sy fiandohan’ny taona 2025 ny tombola lehibe "Devenez multimillionnaire", natao nanomboka ny 3 Desambra 2024 ka hatramin’ny 13 Janoary 2025. Ity hetsika ity dia natokana ho an’ireo mpanjifa nividy entana mitentina 500.000 Ariary farafahakeliny, nahafahan’izy ireo nandray anjara tamin’ny fisarihana loka manomboka amin’ny 300.000 Ariary ka hatramin’ny 25 tapitrisa Ariary. Araka ny tatitra nataon’ny mpikarakara, tombola miisa 37.890 no voaangona nandritra ny hetsika. Mpanjifa 50 avy amin’ny faritra samihafa no nisitraka loka, ka 29 teto Antananarivo ary 11 tany amin’ny faritra hafa, toa an’i Mahajanga, Diégo, Fort-Dauphin, Sambava, Ambilobe, Fianarantsoa, Antsirabe, Toliara ary Antsohihy. Nahitana mpandresy 40 nahazo 300.000 Ariary, 5 nahazo 600.000 Ariary, 1 nahazo 1 tapitrisa Ariary, 1 nahazo 2 tapitrisa Ariary, 3 nahazo 3 tapitrisa Ariary, 1 nahazo 5 tapitrisa Ariary, ary farany, ny loka lehibe taratasim-bola 25 tapitrisa Ariary dia azon’i Atoa LALARISON Riccardo Cassidi mivady, izay nividy entana tao amin’ny toeram-pivarotana COSMOS Ankorondrano. Ankoatra ny tombola sy ny hetsika fankasitrahana mpanjifa, izay efa anisan’ny fanao mahazatra indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fety, dia nanao hetsika sosialy ihany koa ny COSMOS Madagascar. Tamin’ny 31 Oktobra 2024, dia nikarakara "dépistage" na fitiliana ara-pahasalamana nitarafana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono ho an’ny vehivavy. Tsy nijanona teo fa nanao hetsika fanomezan-drà ihany koa ny orinasa tamin’ny 16 janoary 2025. Marihina fa ny COSMOS Madagascar dia orinasa lehibe tantanan’ny UDITEC, ary ao anatin’ny vondrona HV Madagascar. Manana mpiara-miasa maherin’ny 600 izy, izay miara-miasa amin’ny sehatra isan-karazany eto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ny hetsika toy izao, dia manamafy hatrany ny fifamatorany amin’ny mpanjifa sy ny fandraisany anjara amin’ny lafiny sosialy ny COSMOS Madagascar.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny