airtel

Actualités

14-juil-2026

Diplaomasia

Lasa ny Ambasadaoro

Sample post image

Frantsay i Arnaud Guillois

14-juil-2026

Nifarana hatreo, raha ny fampahafantarana natao nandritry ny fanomezana mari-boninahitra fankasitrahana ny ambasadaoro frantsay niasa teto Madagasikara farany, Arnaud Guillois, ny iraka nampanaovina ity masoivoho ity eto amintsika. Nilaza moa omaly ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, Alice N’Diaye, mafy ny fifamatorana diplaomatika eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Hitohy hatrany, noho izany, hoy ny fanazavàna, fifanakalozàna ho fanatsaràna izay fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izay. Velarina hatrany anaty fifankahazoana sy fifampitokisana izany. Miara-dalana eny ihany koa ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny endriny maro samihafa, hoy hatrany ny fampahatsiahivana natao. Lasa, araka izany, i Arnaud Guillois fa dia andrasana indray izay ho solony ao anatin’izao fotoana maha be adihevitra momba ny fifandraisana ara-diplaomatikantsika amin’ireto lazaina fa reny malala ireto sy ny tatsinanana, indrindra, amin’ny rosianina izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap