airtel

Actualités

13-juin-2024

DISADISAN’NY MPIVADY

Zazavavy kely 3 taona may kilan’ny afo

Sample post image

Zazavavy kely vao 3 taonja monja no fantatra fa namoy ny ainy vokatry

13-juin-2024

ny haintrano nitranga tao Ambodimadiro, Fokontany Anosikely Avaratra, kaominina ambonivohitr’i Maevatanana. Ny alin’ny 10 Jona hifoha 11 Jona lasa teo no nitrangan’izany taorian’ny fifamalian’ireo Ray aman-dReniny niteraka azy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha ny fantatra dia efa tsy tao an-trano ilay Raim-pianakaviana nandritra ny fotoana nisehoan’ny firehetana. Mianadahy kosa ireo zaza no tavela tao an-trano ka tafavoaka teny am-baravarankely ilay zokiny lahy 9 taona raha namoy ny ainy ilay zandriny. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany alina moa vao voafehy ny afo raha efa lasa lavenona kosa ilay zaza. Ireo fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana no nandray an-tanana izany. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity haintrano namoizana ain’olona ity.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fahorian’ilay Raim-pianakaviana niatrika ilay menaky ny ainy efa lasa lavenona !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap