ao Ranomafana, hanana tanjaka 64MW, avy ao amin’ny Reniranon’Ikopa manandrify ny distrikan’Ankazobe. Tamin’ny 2018 moa no nisy tolo-bidy mikasika azy ity, ka ny orinasa sinoa “Sinohydro Corporation Limited” no nahazo ny tolotra. Ny banky sinoa Exim Bank no mamatsy vola. Nambaran’ny filankevitry ny minisitra kosa, fa ambony loatra ny tanjaky ny angovo notombanana hovokarina miainga amin’io reniranon’Ikopa io, rehefa tena nojerena satria novinavinaina ho 86KW tamin’izany 2018 izany, ka voatery naverina ny fanadihadiana, izay namoaka fa 64KW no heverina fa ho tena azo vokarina. “MW” no voasoratra etsy ambony, ary “KW” ny teo ambany, araka ny endriny ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ka izay no naverina, saingy heverina fa nisy ny fahadisoana, ary ny “MW” no heverina fa mitombona kokoa. Noho izany, mba hialana amin’ny lalàna manan-kery eo amin’ny resaka tsenan’asam-panjakana dia tsy maintsy asiana tovana (avenant) hanovana ny fifanarahana asa tamin’ny Sinohydro Corporation Limited, ary nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra io. Hamatsy mivantana ny tambajotrana herinaratra mamatsy an’Antananarivo sy ireo tafiditra ao anatiny io, raha ny fanamarihana.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny