airtel

Actualités

13-janv-2025

DISTRIKAN’I MOROMBE

Tapaka tanteraka ny jiro sy rano

Sample post image

Tapaka tanteraka ny jiro sy rano vatsian’ny orinasa JIRAMA any amin’ny distrikan’i Morombe.

13-janv-2025

Vokatry ny fahasimban’ny milina mpanodina sy mpanaparitaka ny herinaratra no voalaza fa antony mahatonga izany. Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny orinasa JIRAMA any an-toerana dia mifangaro mihitsy ny rano sy ny menaka amin’io milina io hany ka tsy misy azo hatao intsony. Na izany aza efa nampandre ny tompon’andraikitra izy ireo hoy hatrany ny vaovao azo. Tsiahivina moa fa efa nanomboka tamin’ny volana Febroary taona 2024 no niaina delestazy lavareny ny mponina tany Morombe. Nihamafy hatrany izany talohan’ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao teo ary izao tena tapaka tanteraka izao. Efa tafakatra 2.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo vokatr’izany any amin’ity distrika iray ity. Vitsiana ihany anefa ireo tokantrano mahatakatra izany fa ny ankamaroany dia miaina amin’ny rano anaty vovo avokoa.
Pati
Legende : Vidiana 2.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo any Marombe no sady mbola ilaharambe tahaka izao !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap