hoy ny filohan’ny antoko politika Ampela manao politika, Dr Brigitte Rasamoelina. Aiza ve dia lazainao hoe ny tambanivohitra, tsy misy jiro dia «heureux» na sambatra, hoy izy. Sambatra ahoana? Anaty maizina ve? Tamin’izaho ben’ny tananan’Ambanivohitra ny taona 2003, tao Ambohimalaza – Avaradrano, no efa nangetaheta fahazavana izy ireny. Ampiasaina daholo na bateria efa tonta be aza mba akana herinaratra, na dia hiainoana radio fotsiny aza satria tsy takatra ny «piles». Maika fa amin’izao fotoana izao dia sambatra ahoana? Firy moa ny tambanivohitra mandray izany 100 Euros lazainao hoe maha «heureux» azy ireo? Marina tsy azo isaina amin’ny rantsan-tanako raha misy! Lazainao fa samy manana ny maridrefin’ny fahantrana ny firenena fa aza adinoina fa samy manana kibo misakafo sy mahatsiaro noana daholo ny olombelona rehetra na gasy na sinoa na karana na frantsay. Angaha andriamatoa filoha ny kibon’ny malagasy tsy mba mahatsiaro noana, ny vatany tsy mahatsiaro hatsiaka, ny fony tsy mahatsiaro fadiranovana fa ny saram-pianaran’ny ankizy tsy voaloha, ny hanina omena ny zanaka tapakibo? Efa firifiry ny zaza miala tsy mianatra dia lasa mitady vola? Mikorosy hatramin’ny soatoavina malagasy fa tsy vitsy ny manao ny tsy fanao, mivaro-tena ireny zanantsika ireny mba hahazoana vola na lahy na vavy. Raha hitanisa ny maha tsy sambatra ny vahoaka malagasy aho dia tsy ho vita eto fa aleo hajanona fa samy mahafantatra. Hoy fotsiny aho hoe «sambatra ianao Prezida raha mahatsiaro sambatra amin’izao hiainan’ny vahoakanao izao!». Aza adinoina anefa fa mandalo fotsiny ihany izao rehetra izao! Mielina avokoa izao tontolo izao sy ny hareny rehetra hoy ilay hira katolika izay. Mielina avokoa ny hoby sy ny laza. Raha izaho aza, tsy mahantra no miteny aminao fa tena mazana ny fiainana, dia mba hevero ny mahazo ny vahoaka tsy mandady harona. Olona mivavaka, mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina amin’ny foko sy ny saiko sy ny fanahiko manontolo aho ka tsy manana fankahalana olona ary miezaka manana fo tia hatrany fa mba asio fo mitempo ihany prezida a! Am-pitiavana! Soli Deo Gloria! Amen, hoy hatrany izy!
J. Mirija
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.