Ny zavatra azo marihina kosa anefa, dia vitsy ny mpanjifanay amin’ireo biraom-panjakana mora ny maka taratasy aminy, hoy i Ambininjanahary Fenontsiky Stephen mpandraharaha, mpitantana ny Orinasa Axcel Company izay misehatra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana sy famoronana orinasa. Tsapa tao anatin’ny 3 taona nitsanganana, fa betsaka ny manano sarotra, hasarotina, toy ny resaka fandoavan-ketra tokony halalahana, fa misy biraom-panjakana na « Centre fiscale » izay misy ny mitondra fientanana fa misy dia ny mpandoa vola no manambitamby sy milela-paladia araka ilay fomba fitenenana. Betsaka no te hanara-dalàna, kanefa mampihemotra ny avonavona amin’ny biraom-panjakana sasany. Betsaka ny taratasy nangatahana fanazavana mazava toy ny hoe : afaka karakarain’ny « mandataire » ve izay misy ny mamaly sy manampy hoe :afaka karakaraina, misy ny mamaly sy milaza fa voafetra anatin’ny 3 volana, fa misy ny tena tsy mamaly, izay miteraka fahasahiranana ho an’ny orinasa,… ka isan’ny lasa sakana, hoy hatrany izy. Betsaka no vonona hiditra amin’ny sehatra sy fandraharahana ara-dalàna, fa tsy fantany na manana fahasarotana ohatra izy amin’ny fikarakarana « Nif-Stat ». 150 000Ar aza ohatra tena mampihemotra ny olona, hoy hatrany ny fanazavany. Anisan’ny angatahan’izy ireo ny fanamorana ny fikarakarana ny taratasy eny amin’ny biraom-panjakana, izay mety vita amin’ny alalan’ny Naoty ataon’ny Foibem-pitantanana ny hetra (DGI) na sampan-draharaham-panjakana hafa ohatra. Anisan’ny mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekerana noho izany ny Axcel Company. « Tsy hisy ohatra mpiara-miombon’antoka ara-bola hamatsy vola sy handraharaha hiaraka amina orinasa tsy ara-dalàna sy tsy azo antoka. Rehefa ara-dalàna ny orinasa dia mipetraka ny fifampatokisana, mitondra anjara biriky amin’ny kitapombolam-panjakana,… hoy ny fanamafisan’i Sitraka Carol Mpiara-mitantana ny Axel Company. Efa notaterina teto fa manodidina ny 590 ireo orinasa, asa, fandraharahana,… nambaran’ny Axcel fa niarahana namolavola taminy.
« Zava-dehibe raha mba misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny AXCEL, ary mba isan’ny nofinofinay ohatra ny fiaraharaha-miasa amin’ny Foibem-pitantanana ny hetra amin’ny fampihenana amin’ny hetra voalohany alohan’ireo orinasa foronina amin’ny alalan’ny tantsoriky ny AXCEL », hoy hatrany i Ambininjanahary Fenontsiky Stephen.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»