airtel

Actualités

16-juin-2025

Taratasim-panjakana sy famoronana orinasa

Maro no liana amin’ny tan-tsoroky ny Axcel Company

Sample post image

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

16-juin-2025

ny 4-7 jona tetsy amin’ny Kianja Barea ny Axcel Company. Orinasa misahana ny fikarakarana antontan-tantarasy ara-panjakana (kopiam-pahaterahana, acte de mariage, certificat d’existence, Patante, Diplaoma, RCS,…). Na izany aza, ireo taratasy tena tsy maintsy ny tompony ny mikarakara azy toy ny karapanondro, acte de notoriété, pasipaoro,… saingy mitondra tantsoroka sy toromarika amin’izay fahefany sy traikefa ananany. Manao tantsoroka amin’ny famoronana orinasa sy fandraharahana (Sarl, SARLU, entreprise individuelle,…)
SARY
LIANA NY OLONA, METY HISY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FANJAKANA
Manao ireo dingana samihafa amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana manontolo, mba hanalana ny fahasahiranana, fahalaniam-potoana,... Tsy misy resaka kolikoly sy tsolotra fa manaraka ny lamina mazava ara-panjakana. Afaka manampy amin’ny « certification », « dépôt des documents administratif,… araka ny fanamafisana nataon-dRtoa Sitraka Carol mpiara-mitantana ny Axcel Company. « Tena hitanay hoe betsaka ny olona mila anay, betsaka ny tsy manam-potoana,… Raha nandritra ny SIAE fotsiny, dia tsy latsaky ny 200 isan’andro tao anatin’ny 4 andro no nanontany, naka torohevitra, nampikaraka taratasy », hoy i Sitraka Carol. « Nisy tompon’andraikitra ambony nanatona nandritra ny SIAE izay naneho ny fisiana tetikasa momba ny « digitalisation » ka hijerena ny mety ho fiaraha-miasa azo atao. 75 hatramin’ny 85% amin’ny karazana taratasy izay karakaraina eto Madagasikara dia saika efa nandalo teo ambany masonay », hoy kosa i Ambininjanahary Fenontsiky Stephen Mpitantana no mpiara-manangana ny Axcel
SARY
MAMPIHAONA IREO ORINASA
Betsaka ny vahiny tia mampiasa vola eto. Isan’ny tena mahaliana azy ireo ny resaka « importation » na fanafarana toy ny fiara sy moto, « agence immobilière), fifampizarana fahaiza-manao amin’ny Malagasy,… Efa misy mpiara-miasa any ivelany, fandratoana fianarana any ivelany,… Misy mpiara-miasa any ivelany, ary izay no niantombohana,… fa amin’izao 60% amin’ny mpanjifa no Malagasy, ary 40% ny vahiny. Misy ireo safidy amin’ny Firenena aty Afrika, manana ny plateforme www.axcel.mg, ahitana ireo mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny lafiny fandraharahana ny Axcel. 15 teo ohatra ny « Centre d’appel » anisan’ny sangany novolavolaina niaraka tamin’ny Axcel izay tsara kokoa ny endrika asehony eto Madagasikara, ka misy mihitsy no miteny hoe : sao mahita « Centre d’Appel » na orinasa afaka hiaraha-miasa amin’ny sehatra tahaka izao,... ka manao fampihaonana ireo orinasa ny Axcel.
SARY

MIKASA HIVELATRA ANY DUBAI
Allemagne, France, Canada, Dubaï, Chine, Russie no efa ananan’izy ireo fahafahana amin’ny tantsoroka samihafa, fa manana tanjona hametraka Foibe iray any Dubaï hanamorana ny fahafahana mandraharaha sy manamora ny fikarakarana samihafa ny Axcel Company.
Nangonin’i Toky R

Contact
038 73 066 32, 034 11 918 40
contact@axcel.mg; www.axcel.mg
Andravoahagy Ambony-arrêt Bus pharmacie Ny Aina

 

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap