airtel

Actualités

10-juil-2026

Dr Geneviève Ramakavelo

«Sao variana mitady vola loatra isika?»

Sample post image

Mipetraka eo amin’ny toeran’ireo

10-juil-2026

ray aman-dreny ny tena manoloana ny zava-misy izay mampihorohoro eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpanabe, Dr Geneviève Ramakavelo. Mafy, hoy izy, ny hianjadian’izany hoe nisy naka ny zanaka, nisy namono tena ny zanaka, tsy fantatra hoe nankaiza ny zanaka na maty mihitsy. Mila mifampahery isika mianakavy ao anatin’izany ary vao mainka mampiseho fiarahamonina misy fihavanana sy firaisankina. Inoana fa mety fantatra ihany ny mpanao ireny sy ny antony hanaovany azy. Fantatra daholo izany rehetra izany raha samy miray hina isika rehetra. Manomboka ao an-trano io firaisankina io no mankany amin’ny fiarahamonina. Sao variana mitady vola loatra isika? Ekena fa sarotra ny fiainana fa mba jereo ihany ny ao an-tokantrano hoe inona no ataon’ny ankizy, indrindra, fialàn-tsasatra izao. Makà fotoana ihany mba hifampiresahana rehefa tonga ny hariva! Amin’ny maha Kristianina ny tena moa dia miteny koa hoe miaraha mivavaka! Ento am-bavaka izay nanorisory teo amin’ny fiainana! Ento am-bavaka ny vina! Tena ilaina ankehitriny ny mamantatra hoe misy akony any amin’ny Andriamanitra ivavahana ny vavaka asandratra. Tsy misy intsony ve moa ny andrimasom-pokonolona? Any amin’ny fokontany no tena voalohany vao firenena. Ankehitriny lasa hoe tendrena ny lehiben’ny fokontany. Be dia be ny mimenomenona hoe aleo ny anay fidiana. Manomboka ao an-tokantrano sy fokontany, mbola mandalo ny toeram-piasanao na fianaranao aza, vao firenena no atao hoe fiarahamonina. Adinontsika izay matetika satria sahirana amin’ny fianarana sy fitadiavam-bola, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique