airtel

Actualités

30-avril-2025

Dr Pierre Michel Ralaivelo

«Mila mampiasa ny tekinolojia am-pelantanantsika isika»

Sample post image

Sarotra ny hilaza fa tsy nahitàna tombontsoa ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa

30-avril-2025

tao anatin’izay taona maro izay, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Nibahan-toerana moa iny, hoy izy, fa indrindra koa ny aty amin’ny ranomasimbe indianina. Mikasika ny resaka tany tsy fahita firy na «terre rare» sy elmenita dia heverina fa tsara ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany fa mila jerena tsara fotsiny ny pitsopitsony rehetra ara-tontolo iainana, ny fanarahana ny lalàna efa avy nolaniana teto Madagasikara, fepetra farany ambany indrindra izany ary farany izay tokony hiadiana varotra dia ny tamberin’izany mankaty amin’ny vahoaka malagasy. Ny an’i Madagasikara dia tsy tokony ho latsa-danja amin’ny an’ireo firenen-kafa. Ny Base Toliara dia tokony jerena tsara ary hazavaina tsara amin’ny olona ny tamberina ara-tsosialin’io. Tokony atao mazava tsara ny fifanarahana rehetra mikasika azy io! Eo ny rehetra no mahita hoe mety amin-drizareo sa tsia? Safidy moa ny resaka fitrandrahana. Hitrandraka ny harena an-kibon’ny tanintsika ve isika sa fitrandrahana hafa toy ny amin’ny alalan’ny fizahantany sy kolontsaina no amidy? Mampidi-bola daholo izany. Ny iray mety elaela kokoa. Ny iray vola malaky saingy mila lanjalanjaina hoe «ressource épuisable et non renouvelable». Rehefa nampiasaina notrongisina tao io dia mety tsy hisy intsony. Mandainga izay milaza fa tsy nahita tombony tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny frantsay. Ohatra fotsiny ny hoe ireo mpampianatry ny oniversitentsika ireo dia frantsay no nanofana ny ankamaroany. Frantsay no nanangana ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, izay Fondation Charles de Gaulles no niantsoana azy tamin’izany. Amin’ny maha MFM ny tena izao dia fantatro tsara fa frantsay no nanofana izany Manandafy Rakotonirina izany tamin’ny alalan’ny ORSTOM na Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer. Ny CIRAD, ny Institut Pasteur, ny IRD sy sampam-pikarohana hafa be dia be eto Madagasikara izay manao fikarohana momba ny fambolena, fiompiana, ny rehetra dia saika avy amin’ny frantsay avokoa. Ny mila iadiana dia hoe ahoana no ahazoantsika tombony bebe kokoa amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa rehetra izay azo antoka fa tsy maintsy hitady ny tombontsoan’izy ireo ihany koa? Nampiasaintsika ve aloha izay efa nomeny? Miresaka izao ny filohan’ny antenimierandoholona hoe ry zareo manana ny tekinolojia dia isika manana ny loharanon-karena rehetra. Hoy aho hoe efa elabe ny rafitra frantsay no teto nampita ny tekinolojia tamintsika saingy nampiasaintsika ve? Ohatrinona no omen’ny fitondràm-panjakàna hamatsiana ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara? Tena farany ambany ny an’ny minisiteran’ny fiompiana sy fambolena. Ny fambolena mety mahazo fanampiana avy amina rafitra tsy miankina be dia be saingy ny avy amin’ny fanjakàna dia tena kely. Mila mampiasa ny tekinolojia am-pelantanantsika isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap