Hisy ny fampahafantarana ireo voka-pikarohana rehetra momba ny haren’ny tany mandritry ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny haren’ny tany na «Journée international de la géodiversité» tontosaina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo manomboka anio hatramin’ny alakamisy izao, hoy ny fanazavàn’ny Dr Souleman Andriamandimby, mpampianatra mpikaroka momba ny haren’ny tany sy ny fampandrosoana, izay isan’ireo mikarakara izao hetsika izao. Hisy koa, hoy izy, ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra hampahafantarana bebe kokoa mahakasika ny atao hoe fitantanana ireo otrikarena eto Madagasikara. Isany ny hoe manao ahoana ny any ambanin’ny tany, ny rano sy fiovaovàn’ny toetr’andro? Manao ahoana ny endri-pitantanana tokony ho arahan’i Madagasikara satria anatin’ny fanorenana isika izao? Ny mampalahelo hatramin’izay dia somary ailika ny manam-pahaizana. Raha te handroso nefa isika, izahay amin’ny maha voarabe fakàn-kevitra na «leader d’opinion» anay dia manana teny ho lazaina sy fanatsaràna amin’io tontolon’ny Harena an-kibon’ny tany io satria izany no atao hoe «géodiversité». Hisy ny varotra fampirantiana ireo harenan’i Madagasikara. Mbola misy zaza malagasy tsy nahita izany atao hoe ametista izany. Ny karazana vatosoa rehetra dia iaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka marobe, ireo mpivarotra mba ahitantsika hoe ireto avy ny vatosoa, harena sarobidy ho an’i Madagasikara. Ireto avy ny faritra misy volamena sy ny mahaliana rehetra. Entanina, noho izany, ny vahoaka malagasy rehetra ho tonga eo amin’ny esplanadin’ny oniversiten’Antananarivo ny 10, 11, 12 desambra 2025 izao. Tsy maintsy mametraka i Madagasikara ny atao hoe «Plateforme national de gouvernance des ressources naturel», izany hoe, tsy ny harena an-kibon’ny tany ihany fa hoe ahoana no ahafahantsika mitrandraka ny otrikarenantsika na an-dranomasina io na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany? Ny fifampiresahana ihany sy ny famadihana ny vokatr’izany ho lasa lalàna mikasika ny fitantanana no tadiavina. Tsy maintsy apetraka mazava izany ny famakafakàna ny fitantanana. Manao ahoana ny fangaraharahana, ny serasera ary rehefa voatrandraka ilay izy dia firy isan-jato no mankaiza, manao ahoana ny risitorina, ny tamberim-bidy? Be dia be ny fitakian’ny fiarahamonim-pirenena mikasika ny tokony hiverenana mijery ny lalàna mikasika ireo fitrandrahana vaventy? Tokony jerena izany rehetra izany! Misy lafiny tekinika tsy maintsy iaraha-mijery aminay tekinisianina. Misy lafiny lalàna tsy maintsy hiaraha-mijery kokoa satria misy teny anaty sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany malagasy izay heverin’ny tekinisianina fa mety nefa anatrehan’ny mpanao lalàna dia loza ho an’ny fanjakàna malagasy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija