Safidiko ity, ka andraikitro feno raha misy ny tsy fahombiazanafa tsy hanilika », hoy ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison omaly raha nanolotra ny drafitra hanantanterahana ny politika ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE-R, teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Iraka roa no nankinin'ny filohan'ny fanavaozana taminy raha ny nambarany dia ny hanatanteraka ny Programa ankapoben'ny Fanavaozana na ny PGE-R sy hampiray indray ny Malagasy. « Rehefa tapitra ity fe-potoana nomena ahy ity dia Madagasikara matanjaka ara-politika vahoaka malagasy matoky ny mpanao politika no tokony ho hita. Ny zava-misy amin’izao vao miresaka mpanao politika dia olona ratsy, olona mangalatra. Faharoa dia Madagasikara mari-toerana ara-ekonomika ary malagasy tony tsy mizarazara sy tsy mifanavakavaka amin’ny resa-poko sy fihaviana", hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nambarany fa miaina amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fantatsika ny zava-misy eran-tany izay tsy miankina amintsika. Raisina ho ohatra amin’izany ny ady eo amin’i Iran, Etazonia, Israel,… efa misy fiantraikany. Misy fahalemena lehibe ny Firenena novantanina : fiankinan-doha amin’ny solika rehefa mizara jiro, fiovaovan’ny toetr’andro izay tsy miankina amintsika, ny fotodrafitrasa izay tsy ampy na marefo toy ny làlana,… Ny zava-misy dia ny « monopole » na « oligopole » izany hoe olom-bitsy, ary eo ihany koa ny « capture d’Etat »,… « Horavana ny « monopole », tsy mpanao kolikoly izahay sy ny filoha, hifampihaino amin’ny fitantanana ny Firenena,… hahafahan’ny vahoaka manitsy anay », hoy ny Praiminisitra. Fohy ny fotoana ka asa miantraika amin’ny vahoaka no atao, hoy izy nanamafy. Manamora ny fanatanterahana ny fandaharan’asa kosa ny fahafantarana fa ny vahoaka Malagasy dia tena manohana ny fanavaoazana, ary ny Filoha dia olona tena tapa-kevitra, manana fahasahiana sy tsy mba mihaotra ny Filoha. Ny solombavambahoaka, Gen Z, ny tanora amin’ny sehatra tsy miankina dia tsy mangina dia tsy mety mangina satria te hahafantatra ny mangaraharaha amin’ny zavatra atao, sao mibirioka ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka tena henoina mba hahakely ny hahasolafaka, ary tena homena sehatra ny tanora izay antom-pisian’ny tolona, hojerena manokana amin’ny famoronana asa, henoina sy homena andraikitra, hanara-maso ny fanatanterahana ny PGE-R ary hisy rafitra hatsangana eo anivon’ny Primatiora, hoy ny Praiminisitra. Misy ireo tonga manolo-kevitra, manome soso-kevitra sy tolotra momba ny fitrandrahana bauxite, volamena,…
VOKATRA FA TSY ASA…
Paikady 10-5-2, ka ny 10 dia ady folo tsy maintsy hatrehina, dia ireo andry iankinan’ny fanavaozana, ny raharaha ara-toekarena. Ny 5 dia vato lehibe manakantsakana ny fanatanterahana ny fanavaozana. Anisan'ny laharampahamehana ao anatin'ny Politika ankapoben'ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano, ny fandriampahalemana, ny fanomezan-danja ny famokarana sy ny fotodrafitrasa, eo ihany koa ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny fanjakana tsara tantana sy ny fampandraisana anjara ny olona ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly, eo ihany ihany koa ny momban'ny fanatsarana ny raharaham-panjakana sy ny demokrasia,…ny Fanjakana tsara tantana, izay nanamafisana fa vokatra no havoitra fa tsy asa.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»