Nirosoana omaly ny fanatanterahana ny fanoloran’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Mamitiana Rajaonarison ny fandaharan’asa entina manantanteraka ny Progaman’asa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE, voafaritry ny andininy faha-99 amin’ny lalàmpanorenana. Tao anatin’ny fampidirana no nilazan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, fa Fandaharan’asa tokony tena hitondra sy hifantoka amin’ireo laharam-pahamehan’ny vahoaka Malagasy, ary hitondra vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fe-potoana haingana. Vonona hanampy ny mpanatanteraka fa mitaky fanapahan-kevitra haingana sy mahomby, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Ankoatra ny PGE, dia fandaharam-potoanan’ny Antenimierampirenena ny fandihana ny volavolan-dalàna b23/2025 tamin’ny 8 desambra 2025 momba ny fisoratana anarana fahaterahana ao anatin’ny lisitra biometrika. Nandritra io ihany koa no nilazana fa manana filoham-panjakana isika ka rariny ny fametrahana ny sariny eny amin’ireny biraom-panjakana ireny. Resabe mandeha momba ny hoavin’ny andrim-panjakana. Momba ny politika mivaivay izay tafiditra ao ny fitakiana ny fandravanany antenimierampirenena kosa, dia nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko, fa tsikaritra fa misy hevitra maro samihafa, misy mitaky ny fandravana ny andrim-panjakana mijoro, ary misy ireo miaro ny fitokisana. Milaza ny PAN fa ao anatin’ny Fanjakana tan-dalàna isika eto Madagasikara. Azo ekena ny fahasamihafan-kevitra, saingy ny rafitra itondra ny Firenena dia tsy maintsy miorina hatrany amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery. Mijoro ara-dalàna ny fitondrana mijoro amin’izao araka ny didin’ny laharana faha-10 HCC/D3 navoakan’ny HCC ny 14 oktobra 2025. Milaza noho izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa ny fanovana na fanintsiana ny rafitra dia tsy maintsy atao amin’ny fomba ara-dalàna sy demokratika ary ao anatin’ireo sehatra voarafitra mazava toy ny fikaonandoham-pirenena sy fifidianana, fa tsy atosika any anaty tsy fanarahan-dalàna izao fitondrana izao. Nambara fa hatao tsy ho ela ny fikaonandoham-pirenena hanehoan’ny vahoaka Malagasy ny heviny mikasika ny lalàmpanorenana sy ny rafitra hitondrana ny Firenena. « Ny fitakiana fandravana ireo rafitra ara-dalàna mijoro ankehitriny dia raisinay ho fanakorontanana atao tsy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana hatao eto amin’ny Firenena izay andraisan’ny vahoaka Malagasy », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Milaza noho izany ity farany fa ny vahoaka irery no masi-mandidy sy tompon’ny fahefana feno amin’ny fanapahan-kevitra hitondrana ny Firenena. « Tsy misy ampahan’olona na antokon’olona afaka hisandoka izany fahefan’ny vahoaka izany ka hanery sy hampikorontana ny Firenena, ka miantso ny vahoaka Malagasy tsy hanaiky hatao fitaovana hanakorontanana ny Firenena », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Io izany no setrin’ny fitakian’ireo andiana tanora sasany milaza fa anatin’ny GEN Z izay mitaky ny fandravana ny Antenimieram-pirenena, ny HCC, CENI,… Ny ao Tsimbazaza izay ampangain’ireo ampahana GEN Z, fa maro ny volomboasary na IRMAR na TGV no niova loko ho fanavaozana ao anatin’ny Antenimierampirenena.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»