airtel

Actualités

08-mars-2024

Durlin Retogniane

«Ahoana ny momba ireny mpitondra miaraka amin’ny tsy ampy taona ireny?»

Sample post image

Tsy nampianarina antsika, indrindra, izao fitondrana izao,

08-mars-2024

hoy ny antoko politika Fiombonana, ny misoroka olana fa lasa mamaha olana foana no ataony. Tokony hojerena ny hoe ahoana no hisorohana ny olana aty ambony, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, mba tsy hisian’ny olana aty ambany. Tokony hipetraka ho kolontsaina izany eto Madagasikara raha hitondra ity firenena ity. Ny firenena mandroso rehetra dia misoroka olana. Tsy vahaolana ny famosirana mpanolana. Mety vahaolana fohy ezaka satria raha ataontsika hoe vosirina daholo aza ny olona rehetra eto Madagasikara dia hanao ahoana ny hoavin’ity firenena ity. Aza adino fa aty amin’ny fiarahamonina ifotony na «couche sociale» ambany no ahitana izany lalàna mikasika ny famosirana izany. Mbola misy nefa ny fanolanana amboamboarina na ilay antsoina hoe «forme de viole déguisé» izay ataon’ny olona sasantsasany any amin’ny fitondrana ambony any koa izay miaraka amin’ny olona tsy ampy taona. Efa betsaka izany. Iarahantsika mahita miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera samihafa eny. Manao ny momba azy ireny? Mijanona amin’ny fifampiraharahana amin’ny ray aman-dreny fotsiny ve? Manao ahoana ny fampiharana lalàna mikasika azy ireny? Marina fa latsaky ny 10 taona izy izay, raha ny fitadidiako azy, ny voalazan’ny lalàna fa misy anefa tomponandraiki-panjakana ambony miaraka amin’ny tovovavy tsy ampy taona koa. Misy 12 taona, 16 taona. Ahoana ny momba ireny mpitondra ambony miaraka amin’ny tsy ampy taona ireny? Satria ve mpitondra fanjakana ambony dia tsy andraisana fepetra? Sao ireny no alain’ny ety ambany tahaka? Misy antony manokana manosika ny olona hiditra amin’ireny zavatra ireny. Misy andraikitra raisin’ny fanjakana hamahana izany olana izany ve? Sao izany vahaolana izany no tokony tadiavina miaraka mba hitondrana vahaolana lavitra ezaka? Ahoana, ohatra, no hamerana ny fidiran’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara? Ahoana no hijerena ny fampananan’asa eto Madagasikara satria mety misy idirany daholo izany? Rehefa mafy ilay fiainana dia lasa tonga amina zavatra tsy tokony ataony ny olona iray. Etsy andaniny lasa be dia be ireo toerana ilokana, ohatra. Eo koa ny hidorohana zava-mahadomelina. Tokony hanaovan’ny mpitandro filaminana ezaka betsaka ny famongorana azy ireny satria ireny koa no manosika ilay olona amin’ny filàn-dratsy. Any ambanivohitra mbola misy ireny efitrano fandefasana horonantsary mamoafady ireny. Anaty tambazotran-tserasera koa betsaka. Voararan’ny lalàna nefa ny fivoizana izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap