NGPM na «Nouvelle génération politique malagasy», Durlin Retogniane, ny fomba nandraisan’ny miaramilan’ny CAPSAT fitondràna hoe fanonganam-panjakàna ve sa tsia? Ny tantara nifandimby, hoy izy, dia nanamarina ny zava-misy ankehitriny. Avy amin’ny vahoaka ny fahefàna. Rehefa mahatsapa ny vahoaka fa tsy araka ny nandrasany tamin’izay nomeny fahefàna ny nataon’ilay olona nitondra dia tsy maintsy anjaran’ny vahoaka ny maka izay fahefàna izay any amin’ilay olona nampidraminy fahefàna ka tsy nanatanteraka araka ny tokony ho izy ilay fahefàna nomena azy. Eto dia tsy any intsony ny adihevitra satria niarahantsika nahita fa nitroatra ny vahoaka noho ilay andraikitra nomena ilay filoham-pirenena tsy tanteraka antsakany sy andavany. Rehefa nidina nitaky an’izay fitakiana maro samihafa izay ireo tanora niaraka tamin’ny vahoaka malagasy dia lasa nisy ilay «répression» na famoretana avy amin’ny mpitandro filaminana sasantsasany. Teo no tonga saina ny miaramila hoe ny tafika dia avy amin’ny vahoaka, manompo vahoaka ary miverina amin’ny vahoaka. Rehefa henony ny fitarainan’ny vahoaka tratry ny famoretana avy amin’ny mpitandro filaminana sasantsasany dia nanohina ny antso no nataon’ny tafi-bahoakan’ny CAPSAT. Aza adino nefa fa andry farany na «dernier rempart» ny tafi-bahoaka! Iarahantsika manaiky izany ka avela ho toy izao foana ve ny firenentsika? Rariny sy hintsiny raha nanohina ny antson’ny vahoaka ka naka fahefàna ny miaramila. Tsy hoe naka ny fahefàna ho azy mandrakizay izy fa naka izany izy noho ny fahitàny fa tsy mankany amin’ny tokony ho izy ny zava-misy eto amin’ny firenena ka ny hiantoka ny fitohizan’asam-panjakàna izany no hipetrahany eo, fara faha elany, 2 taona. Mazava ny an’ny fianakaviambe iraisampirenena, tsy eto Madagasikara ihany fa manerantany. Efa niainantsika tamin’ireo krizy nisy teto amin’ny firenena izany. Ny azy dia fifandanjan-kery na «rapport de force». Rehefa hitany fa manana izay hery izay ny vahoaka dia tsy maintsy hitohy ihany ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena. Niainantsika tamin’ny 2009 izany. Hitantsika fa taty aoriana dia niverina indray ny fiaraha-miasa tamin’izay mpamatsy vola izay. Toy izany koa ny tamin’ny 2018, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny