SADC ho atao eto amintsika ny fitondràm-panjakàna, hoy ny tekinisianina momba ny fizahantany, Durlin Retogniane. Miisa 16, hoy izy, ny firenena mikambana. Nandray ny fihaonana an-tampon’ny COI isika talohan’izay. Tonga teto koa ny filoham-pirenena frantsay. Aza adino fa nisy hetsika nataontsika koa teto Madagasikara, izay noraisintsika farany teo dia ny Kaongresy faha 30n’ny IPS. Mampalaza antsika amin’ny resaka Varika io. Izay resaka Varika izay no votoatin’ilay kaongresy. Tokony ho tombony be ho an’i Madagasikara izany ireny fandraisana fihaonana an-tampony ireny, na ho an’ny efa lasa io na izay vao ho avy! Anjaran’ny mpitondra no mamaha ny olana samihafa ahafahana miantoka ny fandriampahaleman’ireo vahiny ho avy ireo. Ahoana no ahafahantsika mamafa ireny sary ratsy teto amin’ny firenena ireny alohan’ny ahatongavan’ireo mpizahantany ireo? Rehefa miresaka fizahantany, tsy maintsy miresaka fampisakafoana na «restauration». Nisy iny resaka fanampoizinana ara-tsakafo iny nefa. Anjaran’ny fitondràm-panjakàna izany no manome antoka ireo delegasionina ho avy mikasika ny sakafo mety ho hanin’ireo olona ireo. Mandalo ny fihaonana an-tampon’ny SADC. 1,5 miliara eo ny olona manao fizahantany manerantany isan-taona. Mandany 1.900 miliara Dolara ireo. Ny indostria mikasika ny fizahantany dia miantoka ny 10%n’ny toekarena manerantany. Miantoka harinkarena na PIB 10.900 miliara Dolara no dikan’izany. 357 tapitrisa ny asa foroniny. Aiza isika eto Madagasikara? Mety hanararaotra hanao fizahantany kely ireo delegasionin’ny SADC ireo aorian’ny fihaonana an-tampony. Anjarantsika izany ny misintona hoe ahoana no hahafahana misarika mpizahantany eto miainga amin’izay tarehimarika rehetra izay? Ny COI moa vao avy vita. Mety any amin’ny faramparan’ny taona izany isika vao mahazo antotan’isa hoe firy eo no isan’ny mpizahantany tonga teto Madagasikara tamin’ny 6 volana voalohany na ny janoary ka hatramin’ny jona 2025? Jolay isika izao. Anaty «haute saison» na fotoana tokony maha be mpizahantany tanteraka! Mbola anatin’izany io fotoana ahatongavan’ny SADC eto io. Izay no ilazàna foana hoe tokony hahay hanararaotra amin’ny maha firenena natao hizahana tany na «pays à destination touristique» antsika isika. I Maurice mpikambana anaty SADC indray no mandresy lavitra antsika amin’ny fizahantany satria 3.800.000 isan-taona no isan’ny mpizahantany tonga ao. Ny antsika hatreto 350.000 eo ho eo. Afrika atsimo koa mpikambana ao fa mbola manary lavitra antsika. Sao dia fotoana ialàna amin’ny fisehosehoana sy fizahozahoana fotsiny izao fa tokony hijerena izay ahafahana maka traikefa amin’ny olona? Amin’ny septambra izao dia hisy delegasionina avy eto Madagasikara koa ho any Indianapolis, Etazonia, noho ny fahazoan’i Pr René De Rolland ny loka Indianapolis prize na «Prix Nobel de conservation» noho ny fahaizany miaro ny zavaboary eto amintsika. Iriana ny hankanesan’ny minisitry ny fizahantany any satria mbola betsaka ny toerana tsy mahafantatra izany Madagasikara izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»