airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Efa tao anaty fiaramanidina mialoha ny volamena Heloka faratampony iny, hoy ny Fadin-tseranana

Sample post image

Tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Fadin-tseranana notarihin’ny Tale

13-janv-2021

 

 


Jeneraliny no nanamafisana, fa tsy marina ny filazana fa avy any Mali ireo, ary nisy hosoka ny fanambarana natao tany amin’ny fadin-tseranana. Hosoka ny antontan-taratasy nalefa tany Afrika Atsimo nilazana fa avy any Mali, fa tena avy aty Madagasikara. Nisy ny hosoka sy ny fandikan-dalàna momba ny fadin-tseranana, heloka faratampony (3ème classe), heloka momba ny fehezan-dalàna amin’ny ara-bola sy famotsiam-bola. Nanamafy ihany koa ny Fadin-tseranana, fa tapaka ny “caméra, de surveillance” nandritra ny fanatanterahana ireo pitsopitsony tokony hatao, ary efa nomanina ity heloka ity. Mandeha ny fanadihadiana eo anivon’ny Ladoany momba io fahatapahana tamin’ny fanaraha-maso io. Efa nipetraka mialoha tao anatin’ny fiaramanidina ny volamena. Fakana solika ihany no natao tany Toliara. Ny mpanamory ny fiaramanidina no isan’ny nampiakatra azy, raha ny fanazavana. Tsy voahaja ny paipaika rehetra teo anivon’ny fadin-tseranana. Nalefa any amin’ny Fitsarana avokoa ny sary ilaina rehetra mety ilaina amin’ny fanadihadiana izay hatao. Ny eo anivon’ny Fitsarana sisa manohy ny ambiny, hoy ny eo anivon’ny Fadin-tseranana.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap