airtel

Actualités

25-févr-2021

Actualités

Elia Rabevahiny « Efa ho lany koa ny Saphir ao Ilakaka »

Sample post image

Efa nolavin’ny ampahany maro amin’ny vahoaka any Toliara ny fitrandrahana

25-févr-2021

 

 

 

saika hataon’ny orinasa Base Toliara izay mikasa hitrandraka fasimainty ao an-toerana ka somary mahagaga ny mahita loholona mamerina indray io resaka io, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo izay sady zanatany ao an-toerana, Elia Rabevahiny. Tena mahalala ny filana sy fitakian’ny vahoaka any antsimo tokoa ve ity loholona ity no mbola mahasahy indray mamerina io resaka io ? Tokony hakana lesona ihany koa ny fisian’io orinasa QMM ao Faradofay io nefa tsy lavitra eo ny distrikan’ Amboasary sy Ambovombe izay tena voa mafy amin’ny fisian’ny Kere. Efa ho lany ihany koa ny Saphir ao ilakaka nefa nitondra inona ho an’ny faritra atsimo izany? Ilaina ny famoronana asa any mba hahafana manafoana ny fahantrana sy io resaka Kere tsy mety foana io. Azo atao tsara ny manodina ny orinasa fanodinana simenitra na “cimenterie” any Salary. Itaro ny lemak’i Bas-Mangoky hahafahan’ny olona manitatra ny fambolena vary. Toy izany koa ny lemak’i Bezaha sy ny maro hafa fa ajanony aloha ny resaka Toliara Base io mba tsy hampikorontana indray ny fiarahamonina satria matoa tsy tafavoaka ny fitrandrahana saika hatao dia noho ny tsy faneken'ireo vahoaka tompon-tany ny fitrandrahana, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap