airtel

Actualités

15-juin-2026

ENMG - Laza adina tafaporitsaka

Mbola tsy mazava ny tohiny

Sample post image

3 volana aty aoriana

15-juin-2026

Mbola tsy mazava ny tohin’ny raharaha laza adina tafaporitsaka tao amin’ny sekoly ambony momba ny fitsaràna sy ny vaditany na ENMG, 3 volana aty aoriana isika izao, hoy ny fitarainan’ireo mpiadina nifaninana hiditra amin’izany sekoly ambony izany, izay milaza ho lasa lasibatry ny halatra nataon’olona tokana. Tsy mbola misy hatramin’izao ny fanapahana na «décision» ho fanohizana ny fifaninanana, hoy ny fanazavàna. Tsy nisy voasaringotra sy meloka tamin’ity raharaha ity nefa ireo voalaza ho afa-panadinana tamin’ny dingana voalohany. Voaheloka higadra 2 taona sy handoa lamandy 20 tapitrisa Ariary ny voapanga voalohany. Voasazy handoa lamandy mitentina 20 tapitrisa toy izany koa ireo olona miisa hafa ary tsy mahazo mikasika raharaha momba ny asam-panjakàna mandritry ny 2 taona. 10 tapitrisa Ariary no asaina alohan’olona miisa 2 hafa. Tsy nisy na iray aza tamin’ireo voaheloka ireo no isan’ireo mpiadina lasibatr’izao tranga izao, hoy hatrany ireto mpiadina ireto, kanefa dia mitebiteby sy manahy fanafoanana izany fifaninanana izany izahay ankehitriny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap